Mampalahelo sady mahamenatra ny mahita sy miaina ny zava-misy eo amin’ny sehatry ny fampianarana eto Madagasikara ankehitriny. Manana anjara andraikitra ny rehetra manoloana izany. Ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny fampianarana sy ny fanabeazana no vahaolana voalohany amin’izany. Nanatontosa fanambarana, ny fiarahamonim-pirenena, mivondrona ao anatin’ny «Alliance stratégique pour l’éducation», omaly, teny […]
Fiaraha-monina
Tetikasa “Numeracy at Scale” : sekoly 130 nanaovana fanadihadiana momba ny matematika
Nampahafantarina tetsy Anosy, ny alarobia teo, ny fanapariahana ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ny RTI International mikasika ny tetikasa «Numeracy at scale». Niompana tamin’ny fanadihadiana natao manerana ny sekoly miisa 130, mahakasika ny fahaizana mahatakatra sy mampiasa ny isa sy ny matematika amin’ny fiainana andavanandro ny tetikasa. Tanjona ny mba hahafahana […]
Faha-55 taonan’ny FJKM : homarihina amin’ny synodam-paritany 6
Nitondra fanazavana, omaly, ny tonian’ny departemantan’ ny fiangonana FJKM, Robson Rado Lalaina, mpitandrina fa hatao amin’ny synodam-paritany 6 ny fanamarihana ny faha-55 taonan’ny FJKM. Hivondrona amin’ireo synoda efa nofantenana manokana ireo ny fitandremana isaka ny synoda misy azy sy manakaiky azy avy. Anisan’ny hanatanterahana izany ny any Nosy Be synodam-paritany […]
Filoha Rajoelina Andry : tsy hilefitra amin’ireo nanaparitaka laza adina ny fanjakana
Hentitra ny filoham-pirenena Rajoelina Andry nilaza fa tsy handefitra amin’ireo manao takalon’aina ny tanora malagasy mahakasika ilay laza adina Tantara sy Jeografia nivoaka mialoha iny. “Na ny tao amin’ny Ofisin’ny Bakalorea na ireo mpizara laza adina, tsy maintsy nisy tomponandraikitra ambony namoaka iny laza adina Tantara sy Jeografia iny voalohany […]
Protocole de Maputo : tokony hiroso amin’ny fanamafisana ny fifanarahana i Madagasikara
Nomarihina, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, ny faha-20 taonan’ny fahavitan’ny sonia fifanarahana, «Protocole de Maputo», tany amin’ny kaontinanta afrikanina. Fiaraha-miasa eo amin’ny Forum Génération Egalité Madagasikara no nanaovana izany. Efa nanao sonia izany i Madagasikara saingy tsy mbola nanao fanamafisana eo anivon’ny parlemanta. Nohararaotina, omaly, koa ny fampahatsiahivana sy […]