Fiaraha-monina

Faritra Atsimo Andrefana: Tokantrano traboina nizarana fanampiana

Nahafefika tanàna maro tao amin’ny faritra Atsimo Andrefana ny fandalovan’ilay rivodoza Dikeledi tany amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Avy hatrany ny fitondram-panjakana dia naniraka ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, namangy ireo olona traboina. Tonga tao an-tampon-tanànan’i Toliara sy ny distrikan’i Morombe ireo iraka izay nitondra vary sy […]

Skotisma : Fihaonambe telo hatao eto Madagasikara

Handray fihaonamben’ny skotisma intelo miantoana i Madagasikara amin’ity taona ity. Vahiny an’aliny no ho avy ary fotoan’ny soa fanararaotra rehetra ireo hetsika telo ireo. Hotanterahina eto Ma­dagasikara ny 12 hatramin ’ny 16 marsa izao ny fankalazana ny Andro afrikanina ho an’ny skotisma, andiany faha 15. Anjaran’i Madagasikara no mampiantrano ireo […]

Faritra andro ratsy: Manomboka mikorontana ny toetry ny andro

Miha manatona tsikelikely ny morontsirak’i Madagasi­kara ilay faritra andro ratsy ao amin’ny ranomasimbe In­di­anina. Miha mafy koa ny talio, tombanana ho betsaka ny rotsakorana ho an’ny faritra avaratra andrefana sy afovoany atsinanana (50 hatramin’ny 100mm ny rotsakorana), andrasana ao anatin’ny 24 ora. Hanomboka ny alatsinainy izao izany ho an’ny faritra […]

IST Antananarivo: Manam-pahaizana 1 388 nivoaka tamin’ny fomba ofisialy

Mpianatra 1 388 tao amin’ny ivontoerana ambony mom­ba ny teknolojia (IST) eto Anta­nanarivo no navoaka tamin’ny fomba ofisialy, tamin’ity herinandro ity. Mpianatra 671 avy amin’ny andiany faha-29, nisalotra ny anarana “Maharitra”. Mpianatra 717 avy amin’ny andiany faha-30, nitondra ny anarana «Kin­ta­na». Nahazo ny diplaoma “Tech­niciens Supérieurs”, “Techni­ciens Supérieurs Spé­cialisés de […]

Fahasalamana : Ireo fiarovana amin’ny aretina pesta

Mbola ao anatin’ny vanim-potoana mampirongatra ny aretina pesta isika eto Madagasikara ka ilaina hatrany ny fahamailoana. Nampahafantatra ireo fihetsika tsotra kanefa mila finiavana iadiana amin’ny voalavo mitondra ireo parasy mamindra ny aretina pesta ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Ilaina ny mamboly zavamaniry mandroaka voalavo, mampiasa dabam-pako, miady amin’ny doro tanety hisorohana ny […]