Fiaraha-monina

USAID-Minisiteran’ny Fahasalamana : mitentina 706 tapitrisa Ar ny fitaovana hiarovana ny fanafody

Nanolotra fitaovana sy kojakoja fampiasa amina laboratoara mitentina 155 000 dolara (706 tapitrisa Ar) ho an’ny minisiteran’ny Fahasa­la­mam-bahoaka ny tale jeneralin’ny USAID Madagascar, Anne N. William, tamin’ity he­rinandro ity. Hiarovana ny olom-pirenena malagasy amin’ny loza ateraky ny fanafody tsy manara-penitra sy tsy voafehy izany. Hisitraka ny fitaovana mivantana ny sampandraharaha […]

Distrikan’Ifanadiana : fianakaviana marefo 1 775 nahazo tohana

Fianakaviana marefo 200 (misy olona 3 000) avy amin’ny kaominin’Antaretra, Androrangavola ary Marotoko, anatin’ny distrikan’Ifanadiana, faritra Vatovavy no nahazo fanampiana avy amin’ny fitondrana, tamin’ny alalan’ny BNGRC. Olona mbola sahirana noho ny fandalovan’ireo rivodoza nifanesy izy ireto ary nosokajiana ho marefo noho ny tsy fisian’ny eo am-pelatanana satria tsy nahomby ny fambolena […]

Cisco Antananarivo Renivohitra : nidina ho 54,54% ny taham-pahafahana BEPC

Azo ambara fa tsara ny vokatra amin’ny ankapobeny ho an’Antananarivo satria nitombo ny isan’ny mpiadina niatrika ny fanadinana ho an’ity taona ity, hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Nidina kely raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa ny voka-panadinana BEPC teto amin’ny Cisco Anta­nanarivo Renivohitra. 54,54% raha 56,30% izany ho an’ny taona 2022. […]

Jean Nirina Rafanomezantsoa: “Mampandroso firenena ny firaisankina”

Ankatoky ny fifidianana, samy manana ny firehany ara-politika avokoa ireo kandidà. Efa samy mamolavola ny paikady entiny handresena mandritra ny fifidianana na ny mpanohitra na ny am-perinasa. “Samy mampanantena fahagagana entina hampandrosoana firenena ireo kan­didà izay hirotsaka eo”, hoy ny filohan’ny Fitrama, Rafanome­zantsoa Jean Nirina nandritra ny valan-dresaka nataony tamin’ny […]

Nanolana ankizy… : migadra telo taona i Thomas

Mirongatra izaitsizy ny endrika fanolanana sy fametave­tana ankizy, araka ny antontan-taratasin’ady miakatra eo anivon’ny sampana fitsarana ady heloka bevava Toamasina ho an’ny andiany voalohany. Ho an’ny alakamisy 6 jolay 2023 teo, antontan-taratasin’ady efatra indray ahitana fanolanana avokoa. Ny roa amin’ireo raim-pianakaviana roa samihafa indray voarohirohy. Voalohany, ny antontan-taratasin’ady laharana faha […]