Fiaraha-monina

Hanara-maso ny fivarotam-panafody : Hiasa avy hatrany ireo pharmaciens inspecteurs 20

26 taona lasa no nisy fivoahana pharmaciens inspecteurs nahazo fiofanana farany teto Madagasikara. Ireo mbola am-perinasa kosa, efa lasa nisotro ronono avokoa, ny taona 2020. “Tao anatin’ny efatra taona farany, tsy na­nana pharmaciens ins­pecteurs intsony ny minisite­ran’ny Fahasalamam-bahoaka ka natao laharam-pahamehana ho an’ny minisitera ny fano­fanana”, hoy ny minisitry ny […]

INDRAY MIJERY

Ho an’ny telo volana voalohany, manomboka ny febroary hatramin’ny avrily, vinavinaina fa hanodidina na ho ambony noho ny tokony ho izy ny tahan’ny rotsakorana manerana ny faritra Alaotra Mangoro. Raha oharina tamin’ny taona lasa 2024 izany, tombanana fa mety hitovitovy na ho latsaka kely. Mandritra ny febroary, ahina mbola hisy […]

Nahazo mpitsabo voaofana sy fitaovana : Hatsaraina ny tolotra fahasalamana

Nisy ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana ana­tin’ireo distrika 20 saro-dalana sy mitoka-monina. Teo ny fanamafisana ny traikefan’ireo mpitsabo mpandidy, narahina fampitaovana haha matihanina ny asa rehetra, ny faran’ ny herinandro teo, teny amin’ny INSPC Befelatanana. Tafiditra amin’ny fijerana ny maha olona sy ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana ny asa, izay […]

Fampianarana teknika – ONG DSF: Voafonja 156 niofana nanjaitra

Ho fanamafisana ny fitohizam-piaraha-miasa, tonga nitsidika ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline, ny filoha nasionalin’ny fikambanana Douleurs sans frontière, Jeanne Vignes, ny faran’ny herinandro lasa teo. Tetikasa natao hanomezana fanofanana ireo vehivavy voafonja an-dalam-pamaranana ny saziny ka hiverina indray eo anivon’ny fiarahamonina no iarahan’ny […]

VAKY ny fefiloha Ambohimirary Ampitatafika : Tanimbary 350 ha no tondraky ny rano

Taorian’ny fahavakisan’ilay fefiloha Ambohimirary Ampitatafika, nisy avy hatrany ny fampivondronana ireo sampandraharaham-panjakana afaka mifanome tanana amin’ny fanarenana vonjimaika ny fotodrafitrasa. Nifanampy sy manao tantsoroka eo akaikin’ny Apipa amin’izany fa­naovana asa fanarenana vonjimaika eo ambany fandrindran’ny BNGRC izany ny Tafika Malagasy sy ny Zan­da­ri­ma­rim-pirenena. Ahafahana ma­n­drindra ny asa rehetra ilaina atao, […]