Fiaraha-monina

CUA : vonona hamita ny andraikiny ny mpiasa

Nisy ny fihaonana teo amin’ireo mpiasa sy ny mpitantana eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, omaly. Notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely izany. Nitarika ny fihaonana ny solontenan’ny ben’ny Tanàna, Razafimandimby Rija Ethel Niaina sy ny lehiben’ny Vondrona monisipaly, ny kaomisera Whenss Ostrom. Maro ny lahadinika nifampiresahan’izy ireo nandritra izany. Anisan’ny […]

Andron’ny mponina : tanjaky ny fampandrosoana ny vehivavy

Miantoka ny ampahany betsaka amin’ny fampandrosoana ny firenena ny vehivavy. Mendrika ny hohenoina izy ireo hisian’ny fahalalahana sy hampanjakana ny miralenta. Nomarihina, omaly, teny amin’ny distrikan’Am­bohidratrimo, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mponina. Fanalalahana ny fahefana ho miralenta ny lahy sy ny vavy : “hohenoina ny hevitry ny vehivavy sy ny […]

FIFOMAMA : « Mangataka ny fahalalahan’izay te hirotsaka ho fidiana »

Anisan’ny fikambanana manohana ny fanatanterahana ny fifidianana ny Fiombonana fotokevitra maha Malagasy, Fifomama. Mangataka ny fahafahan’ny Malagasy rehetra te hirotsaka hofidina ny mpikambana, izay nivory omaly, tetsy 67 ha. Mangata­ka ny firotsahan’ny filoha am-perinasa, Rajoelina Andry, izy ireo. «Mahafeno fepetra izy. Manana ny zom-pirenena malagasy izay tsy hiadian-kevitra. Raha mahakasika […]

Avy amin’ny tohan’ny UNFPA : vehivavy 152 746 niteraka natrehan’ny mpiasan’ny fahasalamana

Anisan’ny mikarakara ny fahasalaman’ny mponina amin’ny fanohanana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka eto amintsika ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA). Andrai­kitra lehibe sahaniny ny fampitaovana ny CSB sy ny fanomezana fanafody ary fametrahana mpiasan’ny fahasalamana any ambanivohitra. Ny ahazoan’ny vehivavy miteraka anatin’ny fenitra tsy hitera-doza ho azy ireo no tanjona. […]

Mpiasan’ny CUA : efa voaloa ny karama

Nisy ny fihetsiketsehana nataon’ireo mpiasa sasany eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra tao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ny alatsinainy lasa teo. « Antony nahatonga ny fahataran’ny karaman’ny mpiasa ny fisedrana olana manoloana ny fampidiram-bola », hoy ny tale misahana ny mpiasa eo anivon’ny kaominina, Razafimandimby Rija Ethel Niaina. Nilaza izy fa mbola voaloa […]