Manana solontena tonga eto Madagasikara ireo mpikambana ao amin’ny Sadc manatrika ny fivorian’ireo manam-pahaizana momba ny toetr’andro. Fivoriana izay tanterahina mandritra ny herinandro eny amin’ny Ibis Ankorondrano. Voalohany eto Madagasikara no nisian’ny fivorian’ ireo manam-pahaizana momba ny toetr’andro, taona 2025, ho an’ny firenena mpikambana ao amin’ny Vondron’ny firenena aty Afrika […]
Fiaraha-monina
Tanambe Avaradrano: Olona valo tratra namaky trano
Nisy namaky ny trano fivarotana iray an-dRandriamboavonjy Mbola Andry tany Tanambe Avaradrano, kaominina Ambanivohitra Tanambe, distrika Amparafaravola, ny alatsinainy 21 janoary lasa teo. Tamin’ny 2 ora maraina teo ho eo ny fotoana nisehoan’ny tranga, tamin’io fotoana io. Nanatanteraka ny fanarahan-dia avy hatrany ny alika mpitsongo-dia avy amin’ny CFS/CRFDC, tamin’ny 3 […]
INDRAY MIJERY
Noho ny tsiokan’ny talio, tombanana ho betsaka ny rotsakorana ho an’ny atin-tany sy ny faritra afovoany andrefan’ny Nosy. Nahazo filazana fampitandremana fahabetsahan’ny rotsakorana miloko mavo, manomboka rahampitso hatramin’ny sabotsy, ny faritra Menabe, ny distrika Morombe, Beroroha ary Ankazoabo. Fampitandremana miloko mena ho an’ny faritra Betsiboka, Analamanga, Bongolava, Itasy, Vakinankaratra ny […]
minisiteran’ny Mponina: Nanampy ny olona manana fahasembanana
Nanao fivoriambe ireo olona manana fahasembanana sy fampiatiana tao amin’ny distrika Fandriana, faritra Amoron’i Mania. Ho fankalazana ny tsingerin-taona niforonan’ny vovonan’ny olona manana fahasembanana sy ho fanohizana ireo ezaka fampiatiana azy ireo no tanjon’ny fihaonana. Ho fampiroboroboana ny maha olona, nanome tehina fotsy, seza misy kodiarana, fanamafisam-peo amin’ny sofina ny […]
FIZAHANTANY : Mahaliana ny Tiorka i Mahajanga
Nitsidika ny filohan’ny Oniversiten’i Mahajanga, ny Pr Randrianambinina Blanchard, ny profesora roa avy any amin’ny Université Afyon Kocatepe (Turquie) : Pr Pamukcu Huseyin (département de la gastronomie et de l’art culinaire) sy ny Pr Naim Karasekreter (département de la technologie de l’information), tamin’ity herinandro ity. Nambaran’ireo vahiny fa misy ny fiaraha-miasa […]





