Fiaraha-monina

Lisi-pifidianana : mifarana anio ny fanamarinana

Mifarana anio ny fahafahan’ny olompirenena manamarina sy manitsy ny momba azy ao anatin’ny lisi-pifidianana, araka ny fe-potoana nomen’ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI). Raha tsiahivina, nahazo 20 andro indroa miantoana, ny olompirenena tsirairay nanamarinana na nanitsina ny momba azy tao anatin’ny lisi-pifidianana, teny amin’ny fokontany misy azy avy. […]

Tsenabe By pass – Atsimondrano : hetsika ara-toekarena hitsinjovana ny tontolo iainana

Hotanterahina eny By pass, ny 20, 21, 22 ary ny 23 jolay ho avy izao ny tsenabe “Vitrine d’Atsimondrano”. He­tsika karakarain’ny Fikam­banana Manasoa. Hampiranty sy handray anjara mandritra izany, ireo orinasa 250 (va­venty sy madinika) eny an-toerana. Toy ny tontolon’ny fambolena, fiompiana, asa tanana, fampiofanana, fampianarana… Tanjona ny hisian’ny tolotra sy tinady […]

Faha-55 taonan’ny FJKM : hatsangana ny fahitalavitra Fahazavana

Hanetriketrika ny fankalazana ny faha-55 taonan’ny FJKM, hotanterahina any Ambanja, ny 18 aogositra izao, mandritra ny fihaonamben’ny diakona sy ny loholona. Efa samy manomana ny isam-pitandremana rehetra amin’ny fanamarihana izany. Tsangambato lehibe no haorina dia ny fananganana ny fahitalavitra Fahazavana sy ny fanavaozana ny radio Fahazavana. Ny ezaka rehetra vita […]

Dren Atsinanana : 773 tsy tonga niatrika fanadinana BEPC

Amin’ny ankapobeny, nilamina ny roa andro niandohan’ny fanadinam-panjakana BEPC tao anatin’ny faritra Atsinanana na teo aza ny toetry ny andro mamirifiry arahina orana, nandritra ny roa andro. Ny andro voalohany, teo anatrehan’ny solontenam-panjakana no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fonosana misy ny laza adina, natao tetsy amin’ny kolejy tsy miankina […]

Taona 2023-2024 : nivoaka ny tetiandrom-pampianarana

Mizara ho roa volana 5 ihany ny taom-pianarana vaovao 2023-2024. Hanomboka ny 4 septambra izao izany ka tsy hifarana raha tsy ny 28 jona 2024. Nampahafantarin’ny mi­nisiteran’ny Fanabea­zam-pirenena, omaly, ny tetiandrom-pampianarana ho an’ny taom-pianarana vaovao 2023-2024. Mbola voatazona ny tombana isaky ny roa volana, izay hitsinjara 5. Hanomboka amin’ny 4 […]