Fiaraha-monina

Nahazo famatsiana avy amin’ny Unesco: tanora 5 000 hofanin’ny ONG HDA momba ny tambajotran-tserasera

ONG telo miaraka amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ary ny Unesco no nahazo famatsiam-bola mifototra amin’ny fanatsarana ny fanabeazana sy ny fampiofanana ary ny kolontsaina eto Madagasikara. Anisan’izany ny fanofanana tanora 5 000 momba ny tambajotran-tserasera. Dimy ny tetikasan’i Madagasikara nahazo famatsiam-bola avy amin’ny Unesco, tafiditra amin’ny Biennium 2024-2025, ho […]

Fahasalamana: misokatra ny fitiliana ny homamiadana

Nanokana fotoana ahafahan’ny rehetra mahafantatra bebe kokoa mahakasika ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza ny Fondation Akbaraly Madagascar, ny 24 janoary izao, eny amin’ny Pavillon Ste Fleur. Fihaonana mivantana amin’ny dokotera sy ny rasazy, hiresahana ireo aretina mateti-pitranga amin’ny vehivavy izy ity. Manampy izany koa ny tsara ho fantatra […]

Volana janoary: fotoanan’ny krizy ao an-tokantrano

Mandalo fotoan-tsarotra ny ankamaroan’ny tokantrano rehefa volana janoary. Lany nandritra ny fetin’ny krismasy sy ny faran’ny taona ny vola. Mivaro-pananana na midi-trosa ny ankohonana hahafahana mivelona. Maro ireo maka ny antsasa-karama amin’izao fisasahan’ny volana izao. Fotoana fandraisan’ireo mpivarotra mpandray entana tonta etsy 67 Ha ireo kojakojan-tokantrano amidy mora ny volana […]

Rajoelina Mialy: “Mila atoro ny ankizy ny foto-kevitra ho fiarovana azy”

Nisy ny tranga fanolanana nataon’ny rainy amin’ny zanany vavy tao anatin’ny 19 taona ka nandraisan’ny mpitandro filaminana andraikitra. Manoloana izany, naneho hevitra ny vadin’ny filohan’ny Repoblika sady tompondakan’ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy, tao anatin’ny pejiny manokana amin’ny tambajotran-tserasera. “Amin’ny maha reny ahy, tena marary ny fo mahita ity […]