Zanak’olona sahirana mipetraka any ambanivohitr’i Faradofay i Bertrand. 15 taona izy ary kilasy fahadimy. Hanala fanadinanana CEPE avy hatrany izy amin’ny talata izao. 5 mianadahy izy ireo no zanaky ny ray aman-dreniny ary samy varira avokoa. Efa indroa nisy naka an-keriny i Bertrand saingy avotra teo am-pelatanan’ny olon-dratsy hatrany. Nisy […]
Fiaraha-monina
Fanomanana ny CEPE : tara vao tonga ny vola hividianana fitaovana
Nitaraina ireo talen-tsekoly tsy miankina sasany rehefa naka ny taratasy fiantsoana ny mpiadina ao aminy fa nangataka vola hanampiana amin’ny fampandehanana ny fanadinana ny lehiben’ny foibem-panadinana. Tara ny fahatongavan’ny vola avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ka 20% amin’ny sora-bola ilaina aloha no eo am-pelatanan’ny tomponandraikitry ny foibem-panadinana. 200 Ar ka hatramin’ny […]
Tetiandrom-pampianarana: angatahan’ny mpampianatra ny hiverenan’ny tombana isaky ny telo volana
Natao tamin’ity herinandro ity, tetsy Mahamasina, ny fivoriana ho fanapahana ny tetiandrom-pampianarana ho an’ny taom-pianarana vaovao 2023-2024. Niarahana tamin’ny sekoly miahy tena sy sekolim-pinoana izany, ahafahana maka ny hevitry ny rehetra. Tamin’izany no nahitana ny fanehoan-kevitr’ireo mpampianatra ny hiverenana indray amin’ny fampiharana ny fanaovana tombana isaky ny telo volana fa […]
Antananarivo Renivohitra: 40 isan’andro ireo taxi-be anaovana fitsirihana
Namoaka naoty vaovao hanamafisana ny fitsirihana ho an’ireo fiara fitaterana iombonana eto an-drenivohitra ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra. Niverina nanomboka ny volana desambra 2021 lasa teo izany, taorian’ny fangatahan’ireo kaoperativa teo anivon’ny fitaterana iombonana eto an-dRenivohitra. Manodidina ny 40 isan’andro ireo Taxi-be manao fitsirihana “visite de conformité » eny amin’ny […]
Fangerana ankalamanjana : « Tokony hogadraina ireo mpanao maloto hampahomby ny ady »
Sahirana ireo olona hiondrana handray « vedette » na lakana eo amin’ny seranan-dakana eo Mahavatse II, ao anatin’ny kaominina ambonivohitra Toliara amin’ny fofona (vokatry ny tay miparitaka) sy ny loto miparitaka eo an-toerana. Efa nataon’ny mpitantana ny tanàna ho laharam-pahamehana ny fahadiovana sy ny ady amin’ny fangerena ankalamanjana fa mbola sarotra ny […]