Anaty vanim-potoan’ny fahavaratra isika, mihetsika ny herivelona rehetra handrindrana ny fiatrehana ny orana sy ny fotodrafitrasa manodidina. Omaly, nijery ireo olana manakana ny fikorianan’ny rano teny amin’ireo faritra maromaro teto an-dRenivohitra ny filohan’ny delegasionina manokan’ny tanànan’Antananarivo , i Alexandre Georget, sy ny mpiara-miasa aminy, ny tale jeneralin’ny Apipa ary ny […]
Fiaraha-monina
Toetr’andro: vinavinaina hatanjakabe ilay rivodoza miforona
Mivoatra tsikelikely ilay faritr’andro ratsy ao amin’ny ranomasimbe Indianina. Heverina hampiova ny toetry ny andro any avaratry ny Nosy izany amin’ny faran’ny herinandro. Vinavinaina hatanjaka ihany koa ity rivodoza ity. Hanambana ny ilany avaratra atsinanana na afovoany atsinanan’ny Nosy, ny sabotsy ho avy izao, ilay andro ratsy miforona ao amin’ny […]
Tsimbazaza: tratra ilay nandroba toeram-pisakafoana
Voasambotry ny polisim-pirenena ilay lehilahy tompon’antoka tamin’ny fandrobana toeram-pisakafoana iray tao Tsimbazaza, ny 2 janoary teo. Novakian’io olon-dratsy io ny efitrano nisy ny entana sarobidy, toy ny fatana mandeha amin’ny entona fandrehitra, miampy fitaovana fampiasa an-dakozia lafo vidy. Nametraka fitoriana teny anivon’ny manam-pahefana ny tompon’ny toerana lasibatra satria matiantoka tanteraka […]
Mgr Randriamamonjy Marcellin: voatendry ho evekan’ny diosezin’i Farafangana
Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy ny alahady lasa teo ny eveka, ny Mgr Randriamamonjy Marcellin. Voatendrin’ny papa ray masina hiasa sy hitantana ny diosezin’i Farafangana, raha toa ka niasa teo anivon’ny diosezin’i Fenoarivo Atsinanana, teo aloha. Noraisina tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana, tany an-toerana, izy, nandritra izany. Fotoana nanatanterahany ny […]
Fisotroan-dronono: nivoaka ny tetiandro hamoahana ny vola
Efa mivoaka ny tetiandron’ny fandraisana fisotroan-dronono ho an’ireo zokiolona misitraka izany, ho an’ity volana janoary 2025 ity. Ho an’ny eny amin’ny perception, TP, TPIC, eto Analamanga. Hanomboka ny zoma 10 janoary izao izany ho an’ireo manana laharana mifarana amin’ny 0 ka hatramin’ny 2. Ho an’ny laharana miafara amin’ny 3 ka […]





