Fiaraha-monina

Ambohibao Antehiroka: mpanao fihetsiketsehana roa naratra

Nitora-bato ny fokonolona, nanaparitaka tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso ny zandary teny Ambohibao Antehiroka, afakomaly. Olona roa naratra. Nidina an-dalambe, ni­lanja sorabaventy sy nandoro kodiarana ny mponina teny Ambohibao An­tehiroka, ny alin’ny talata 29 oktobra teo. Leo tsy fisian-drano sy fahatapahan-jiro, nanakan-dalana naneho ny hatezerany ny mponina teny an-toerana. Nitsoaka kiririoka sy […]

INDRAY MIJERY

Ny orinasa mpanondrana vokatra any amin’ny firenena any ivelany dia tsy maintsy mandalo ny sampandraharaha isan-tokony. Tsy maintsy alefa any amin’ny firenen-kafa ny fanaovana fitiliana rehefa tsy ampy ny laboratoara azo antoka manao izany eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny fanondranana hazandrano izay hatao any ivelany vao afaka manondrana i […]

Farafangana : nitsidika ny renivohitra ireo mpianatra 15

Nitsidika an’Antananarivo ireo mpianatra 15 sangany tamin’ny fahafahana fanadinana CEPE sy BEPC farany teo, avy any amin’ny disitrikan’i Farafangana, omaly. Nitarika azy ireo, tamin’izany, ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana, Raby Sava­tsarah Ain’Harimanga Gabriel­le. Tanjona ny hampirisihana ny zaza hiezaka sy hilofo amin’ny fianarana satria zava-dehibe ny fanabeazana. Nitsi­dika toerana maro […]

Kaominina Ambavahaditokana : nampandroso sehatra maro ny tetikasa Voanio

Nampahafantarina omaly ny vokatry ny tetikasa Voanio, teny amin’ny kaominina Ambavahaditokana. “Azo avy amin’ny RFF Fifa, izay rafitra misahana ny fitantanana ny fako ao an-toerana ny tetikasa”, hoy ny mpandrindra, Andrianjafitrimo Mamy Victorine. Nandritra ny taona iray nanatanterahina ny tetikasa dia nisongadina ny fikojakojana ny tontolo iainana izay miady amin’ny […]

Zava-dehibe ny fitiliana : manasongadina ny lentan’ ny laboratoara ny Clam

Tsy azo iodivirana ny fanaovana fitiliana ireo karazana vokatra avoakan’ny orinasa mialoha ny hamarotana azy eny an-tsena na hanondranana azy any ivelany. Manana ny toerany ny laboratoara manao izay fitiliana izay. Hotanterahina eny amin’ ny Akademia Malagasy Tsimbazaza, ny 6 no­vambra izao, ny Andron’ny Consortium de laboratoire de Madagascar na […]