Nametraka tetikasa ho fisorohana sy fandraisana an-tanana ny olona niharan’ny herisetra mianjady amin’ny mahalahy sy mahavavy (VBG) eto Madagasikara ny Royaume de Norvège sy ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (Unfpa). Nanomboka ny desambra 2019 hatramin’ny volana jona 2022 no nanatanterahana izany, noho ny fahatsapana fa nirongatra be ny […]
Fiaraha-monina
Toetry ny andro : hiakatra ny maripana eto afovoan-tany
Ao anatin’ny telo andro manaraka, ny tsioka malefaka miovaova no mandrifitra ny toetry ny andro manerana ny Nosy. Any avaratra Atsinanana ihany no hahazo vahana ny tsioka alizay mitondra orana. Hisitraka izany ny any Analanjirofo, Atsinanana…, hoy ny teknisianina eny Ampandrianomby, omaly. Noho ny fisian’ny rindrin-drahona ao atsimon’ny Nosy,ho maimaina […]
Fanajana ny tontolo iainana : ampiana hanodina ny fako ny tanora
Mbola tsy vitan’ny Malagasy ny mikarakara ny fako miparitaka eto Antananarivo. Manampy ny tanora hanodina sy hampihena ny fako ny Crs Madagascar manoloana izany. Notanterahina tetsy amin’ny Université catholique de Madagascar (Ucm) Ambatoroka, ny tetikasa: “change makers”. Hetsika nokarakarain’ny Catholic relief services (Crs), niaraha-niasa tamin’ireo mpiara-miombon’antoka taminy. Nandraisan’ny tanora mpilatsaka […]
CCSM : mpiofana 36 notolorana maripahaizana
Tontosa omaly, teny Ampahibe, ny famoahana ireo manamboninahitra mpiofana ho amin’ny fanampim-pandalinana ho fikajiana ny fahasalaman’ireo miaramila (CCSM), andiany fahefatra. Nanotrona izany ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Ramasy Razafindratovo Heritiana. Mitontaly 36 mianadahy ireo notolorana maripahaizana . “Voaporofo ary voatazon’ny DCSSM ny andraikitra fanomanana olona ho mpitsabo mpiara-miasa […]
Fikaonandoha fampanan’asa : ampiana hitia ny asa safidiany aorian’ny fianarany ireo tanora
Nikarakara hetsika fikaonandoha momba ny asa (Forum de l’orientation et de l’employabilité), andiany fahafito, ny fandaharanasa Sesame. Atao eny amin’ny foiben’izy ireo, etsy Ambatoroka izany ka mitohy anio. Tanora maherin’ny 5000 no andrasana hanatrika izany, raha ny fanazavan’ny mpikarakara. Tanjona ny hanampiana ireo tanora hitady sy hisafidy ary hanana traikefa […]