Ny faritra Sava no namaranana ny hetsika “Fijery Hafa” ho amin’ity taona ity. Mahatratra hatrany amin’ny 6 255 ireo tanora tonga nisoratra anarana ho amin’ny fampiofanana maimaimpoana. Tonga nanokatra ny hetsika tao amin’ny Jardin de la région Sava, Sambava Centre, ny herinadro lasa teo, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy […]
Fiaraha-monina
Minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina : Nanaovana asa sosialy avokoa ny sokajin’olona marefo
Nanao tombana ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Aurélie Razafinjato, omaly, tetsy Anosy, mahakasika ny asa vita tamin’ity taona ity. Samy nahazo ny anjarany avokoa ireo sokajin’olona marefo. Efa nahatsiaro ireo ankizy rehetra any amin’ny akany fitobian’ireo sahirana ny fanjakana, toy ny tao amin’ny Ex Mad Cap sy Seba. […]
Haparitaka eto an-dRenivohitra : Roa lahy nahatrarana rongony
Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora, ny sabotsy teo, ireo roa lahy voarohirohy ho tompon’antoka tamina trafikana rongony. Saron’ny polisy teo Ambohijatovo, ny 18 desambra 2024 tamin’ny 9 ora alina, izy roa lahy ireto, niaraka tamin’ny rongony tanaty gony miisa 24. Nentina tamina fiara 4×4 ireto zava-mahadomelina ireto. Nandritra ny fisafoana […]
Mirehitra ny afo ao Toliara : Tsy manaiky voka-pifidianana ny mponina
Tsy manaiky ny vokatra vonjimaika navoakan’ny Structure provinciale Ad’hoc pour le traitement des résultats des élections communales (Spatrec) ny mponina ao Mitsinjo Betanimena. Voalaza fa samy hafa ny vokatra navoakan’ny SRMV Toliara II, ny 16 desambra 2024 teo, sy ny vokatr’ity rafitra voalaza etsy ambony ity. Araka izany, nirohotra nitokona […]
INDRAY MIJERY
Nanolotra video projecteurs miisa 10 ho an’ny sekolim-panjakana miisa folo, eto amin’ny Dren Analamanga, ny orinasa Epson Europe BV Maroc. Nahazoana ny fitaovana ny fiaraha-miasa avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao sy ny ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny orinasa Epson. Moto miisa 6 […]





