Ho fanomezana fahafaham-po ny mponin’Antananarivo dia horavahina jiro manamarika ny fetin’ny Krismasy ny eny amin’ny zaridainan’Ambohijatovo. « Noelin’ny fitia » no hiantsoana ny hetsika amin’ity taona ity. Hisokatra anio hariva ny fitsidihana maro loko ka hifarana ny 5 janoary. Misokatra ho an’ny rehetra manomboka amin’ny 7 ora hariva hatramin’ny 10 ora alina […]
Fiaraha-monina
Fahasalamana : Nitondra fahombiazana ny tetikasa RISE
Naharitra 4 taona ny tetikasa RISE izay nisehatra tamin’ny tontolon’ny fahasalamana, indrindra ny fanaraha-maso ny valanaretina. Nitondra fanatsarana teo amin’ny sehatry ny fikarohana ny tetikasa. Nifarana ny tetikasa Research, Innovation, Surveillance and Evaluation (RISE), nanampy betsaka ny sehatry ny fahasalamana teto Madagasikara. Tetikasa novatsian’ny USAID vola mitentina 8 tapitrisa dolara. […]
Taom-pahavaratra : Narafitra ny tetiandrom-pambolena
Hifarana anio ny atrikasa fandrafetana ny tetiandrom-pambolena ho an’ny taom-pahavaratra 2024-2025, ao amin’ny Ecole de formation des techniciens agricoles (EFTA) Ambatobe, izay naharitra hefarana. Hetsika tohanan’ny tetikasa fampifanarahana ny sehatra fambolena amin’ny fiovan’ny toetr’andro (PrAda-GIZ). Tanjon’ny atrikasa ny famolavolana ny tetiandrom-pambolena isam-paritra ho an’ny taom-pambolena 2024-2025 ka nafototra amin’ny voly […]
INDRAY MIJERY
Nanatanteraka atrikasa niarahana tamin’ireo talen’ny toeram-pampiofanana, misehatra amin’ny secteur Textile Habillement et Accessoires (THA) miisa 37 sy ny « responsables en insertion et orientation » ao amin’izy ireo ny direction de l’Apprentissage et de la formation Initiale ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Tanjona ny hananganan’ireo toeram-piofanana […]
Fitahirizam-baksiny – USAID Impact : Nanolotra vata fampangatsiahana miisa 17
Nidina tany Toamasina ny talen’ny USAID vaovao, Michele Russell, nanolotra vata fampangatsiakana mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 17 sy efitra voavoatra fitehirizam-baksiny. Nandray izany ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Randriamanantany Zely. Amin’ny alalan’ny tetikasa “USAID Impact”, izay tanterahin’ny PSI Madagascar no nanolorana ireo fitaovana. Hatramin’ny taona 2018, nahatratra 14 ny générateurs […]





