Fiaraha-monina

Fokontany Antanambao Nosibe : tsy misitraka ny tamberimbidy amin’ny haba

Anisan’ny fokontany be mponina sy mamokatra ny fokontanin’Antanambao No­sibe, anatin’ny kaominina ambanivohitr’ Antetezambaro, disitrikan’ i Toamasina II. Avy ao Toamasina, 25 km manaraka ny lalam-pirenena faharoa izy. Miisa 1560 ny mponina ao aminy, izay mizara amin’ny tanàna 20 ankoatra ireo lazaina hoe Andasy na Ankapa. Tanàna mamokatra Antanambao Nosibe. Saika […]

Fanadinam-panjakana CEPE : 515 081 ireo mpiadina manerana ny Nosy

Iray volana latsaka sisa, hiatrika ny fanadinam-panjakana voalohany ny mpianatra ny 20 jona ho avy izao. 515 081 ireo mpiadina fanadinana CEPE manerana ny Nosy ka mpiadina miisa 99 amin’ireo no manana tsy fahatomombanana ara-batana. Eto Antananarivo, manana mpiadina 169 022 izay mitsinjara amin’ny ivontoeram-panadinana 572. Any Fianarantsoa, 95 573 […]

Toetry ny andro : hanomboka anio ny kongresy maneran-tany faha-19

Hanomboka anio ary hifarana ny 2 jona izao ny kongresy maneran-tany faha-19 momba ny toetry ny andro. Handray anjara amin’izany i Madaga­si­kara amin’ny alalan’ny fandraisana anjara ampitain-davitra ho an’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro fa hanatrika izany mivantana kosa ny solontena maharitry ny Repoblika malagasy eo anivon’ny Fire­nena mikambana […]

Fiteam : 4 tapitrisa ny Tandroy mila ravinahitra manerana ny Nosy

Nanatanteraka fihaonambe ny fikambanan’ny terak’An­droy (Fiteam) tetsy amin’ny ANS Ampefiloha, ny sabotsy teo. “Tanjona ny fanehoana firaisankina”, hoy ny filohany Rakotondrazaka Ladislas Adrien. Tonga namaly ny antso avokoa ireo terak’Androy ao amin’ ny fitondram-panjakana sy ny mpianatra avy any amin’io faritra io mandranto fianarana eto ary ireo mpila ravinahitra eto […]

Rallye mathématique faha-19 : 244 ireo mpianatra nifaninana

Nofaranana teny amin’ny Lycée Français Ambatobe, ny sabotsy lasa teo, ny fifaninanana “Rallye mathématique” an­diany faha-19. Ekipa valo isa­ky ny sokajy no niatrika ny din­gana famaranana, nandraisan’ ny faritra enina anjara, tamin’ ity taona ity. «Fifaninanana ma­tematika famahana olan’ny fiainana andavanandro ny «Ral­lye mathématique» ka hi­za­rana ny ankizy mpianatra hiaina […]