Tanora 21 mianadahy no nandray anjara tamin’ny fifaninanana adisisika fanentanana momba ny maha zava-dehibe ny fanabeazana ara-pananahana feno any an-tsekoly, izay notontosaina ny 12 aogositra hatramin’ny 15 septambra lasa teo. Nikarakara ny hetsika ny Vovonan’ny firaisamonim-pirenena misehatra amin’ny fahasalamana sy zo hisitraka fananahana ara-pahasalamana, ho fanamarihina ny Andro natokana ho […]
Fiaraha-monina
Tetikasa Tsimbina : tokantrano 1 123 nisitraka vola
Miditra amin’ny andiany faharoa ny fisitrahana ny vola ho an’ireo ankohonana marefo, anatin’ny tetikasa Tsimbina. Natao, omaly, tetsy Mahamasina, ny fizarana izany, izay natrehin’ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie. Ireo nahafeno fepetra, nahavita nampiditra ny zanany an-tsekoly no nomena ny ampahany faharoa. Nanaraka ny toromarika fiofanana niaraka […]
Tetikasa Ankohonana Miarina : nosantarina ny tanàna vaovao eny Fieferamanga
Nomarihina teny Fieferamanga, distrikan’Arivonimamo, omaly, ny Andro maneran-tany ho an’ny toeram-ponenana. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Ankohonana Miarina ny fifindra-monina hatao eny an-toerana. “Manoloana ny fitomboan’ny mponina an-tanàn-dehibe dia mitombo koa ny filana trano fonenana”, hoy ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana, Andriamanohisoa Gerard. Nosafidiana manokana i […]
Betongolo : mitohy ny fotoam-pitsarana miaramila
Nitondra fanazavana ny talen’ny fanompoam-pirenena sy ny fitantanana ny fiandry eo anivon’ny minisiteran’ny Foloalindahy (DSNGR) sady mampahafantatra ny rehetra fa mbola mitohy ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra ny fitsarana miaramila. Eny amin’ny Kianjan’ny miaramila eny Betongolo ny fotoam-pitsarana ho miaramila taona 2024, manomboka anio 07 oktobra ka hatramin’ny alahady 13 […]
Kaominina Ambato : hampandrosoina ny tontolo ambanivohitra
Kaominina ambanivohitra nisedra olana sy tsy nahitana fampandrosoana tao anatin’ny taona maro ny ao Ambato, disitrikan’Ambohidratrimo. “Taraiky amin’ny lafiny maro io kaominina io raha oharina amin’ny hafa any an-toerana”, hoy Rakotondravao Sarobidy. Vinany ny hampandroso ny tantsaha sy ny tontolo ambanivohitra ka antony nandrisika azy hirotsaka ho fidina ben’ny Tanàna. […]




