Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny handraisan’ny fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana seringue, 0,5ml sy safety box ho an’ny sampandraharaha misahana ny fandaharanasa momba ny vaksiny (Depev), eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ho an’ny taona 2023. Rehefa tsy misy seringue dia tsy misy […]
Fiaraha-monina
Zaikabe iraisam-pirenena ho an’ny fanabeazana : nodinihina manokana ny fampianarana ireo zazavavy
Notanterahina tao Londres, QE II (Queen Elizabeth II) Center Westminster London, ny zaikabe iraisam-pirenena ho an’ny fanabeazana, ny herinandro lasa teo. Nandray anjara tamin’izany ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle. Sehatra iray fampivondronana lehibe indrindra maneran-tany natrehan’ireo minisitra maherin’ny 117 sy ireo mpisehatra avo lenta ao anatin’ny tontolon’ny fanabeazana […]
Lycée Rabearivelo sy Ivandry : liana tamin’ny fitaterana an-tariby ireo mpianatra
Nisitraka ny fampahafantarana ny momba ny fitaterana an-tariby na ny téléphérique ny mpianatra tao amin’ny Lycée Rabearivelo sy ny teny Ivandry, ny faran’ny herinandro teo. Izy ireo rahateo no sekoly manakaiky ny pylônes sy ny gara ka mendrika ny hahafantatra ny mikasika ity fitaterana vaovao ity. Nahaliana ireo mpianatra ny […]
CUA – MVBA : 300 ireo nizaha fahasalamana maimaimpoana
Mifarana androany, eny Manarintsoa Afovoany, ny hetsika telo andron’ny fahasalamana manakaiky vahoaka. Iarahan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny fikambanana Manjaka vintana Béton Armé (MVBA). Maherin’ny 300 ireo nizaha fahasalamana maimaimpoana teny an-toerana, nandritra ny roa andro. “Tsy manana fahefa-mividy hanatonana toeram-pitsaboana ny ankamaroan’ny olona ka antony nanaovana ny hetsika”, hoy […]
Plumpy sup sy plumpy nUt: tafajoro ny komity marolafy hiady amin’ny fivarotana azy
Misy mivarotra ny Plumpy sup sy plumpy nut, izay natao hozaraina maimaim-poana. Manolona izany, nandray andraikitra ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tafajoro, omaly, teny Andavamamba ny komity marolafy hiadiana amin’ny fivarotana an-tsokosoko ireo sakafo fanafody sy fanafody maro tokony homena maimaimpoana ny marary eny amin’ny tobim-pahasalamana. “Mpikambana ao avokoa ny minisitera voakasika, […]