Fiaraha-monina

Fokontany Amparibe : vatobe nianjera tamin’ny tranon’olona

Nisy tranga fianjerana vatobe teny Ambatovinaky, fokontany Amparibe, ny alahady teo, taorian’ny orana nikija, raha ny tatitry ny BNGRC. Nanimba tranon’olona ny loza ka tsy maintsy nifindra toerana ny tompon-trano sy ny manodidina. Ni­dina ifotony ny ekipan’ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC), sy ny filohan’ny fokontany […]

Manazary Betsizaraina: 55 ireo trano fonenana vaovao efa mitsangana

Nidina nijery ny fizo­tran’ny fanamboarana ireo trano fonenana, aorin’ny Seimad ,ao Manazary Betsizaraina, ny sekreteram-panjakana misahana ny Ta­nàna vaovao sy ny toeram-ponenana (SENVH), Andria­manohisoa Gérard, omaly. Misokajy 2 ny trano eny an-toerana, efitra 4 sy efitra 3. Anarana iantsoana ity tanàna vaovao ity ny hoe, Soa Iadanana. Trano miisa 55 […]

CSS Avaradoha: nahazo fiahiana ireo sahirana

Mahatratra 284.225 ireo sahirana ara-pivelomana no­tsaboina maimaimpoana te­ny amin’ny Centre de soin et de santé (CSS) Avaradoha nan­dritra ny 30 taona, raha ny tatitra voaray omaly. “Tsy misitraka fitsaboana ara-dalàna ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy noho ny fahasahiranana mahazo azy”, hoy ny Dr Ran­dri­analison Andrianomentsoa. Ny fahatsapana izany no antony nahatonga […]

Fahasalamana : tsy misy antony mazava ny 95%-n’ny tosidra avo

Nitondra fanazavana ny dokotera Ramiandrisoa Lahatriniavo Ritchy, tamin’ ny fandaharana manokan’ny minisiteran’ny Fahasala­mam-bahoaka mikasika ny fihenjanan’ny lalandra na ny fiakaran’ny tosidra araka ny mahazatra ny maro. Anisan’ny mahafaty olo­na maro rehefa tonga amin’ ny fahasarotana ny fihenjanan’ny lalandra. Mizara roa ny tosidra, ambony (tension arterielle systolique) mihoatra ny 140mmHg sy […]

Toetr’andro : mandindona ilay rivodoza Fabien

Nivoatra be ilay rivodoza Fabien ka lasa «forte tempête tropical modérée», omaly, araka ny nambaran’ny mpamantatra ny toetry ny andro, etsy Ampandrianomby. Mi­zo­tra mianatsimo andrefana ny diany. Tsy mbola ahiana amin’ ny toetr’andro eto Mada­ga­sikara i Fabien. Tombanana tsy dia hihetsika izy hatra­min’ny alakamisy ary heverina hiverina hianatsimo atsi­nanana aorian’izay. […]