Nitokana ny tohodrano sy ny lakandrano mirefy 2 800m teny amin’ny fokontany Maharidaza, kaominina Ambolotarakely, distrikan’Ankazobe ny governoran’Analamanga. Entina hanatsarana ny lemaka Maharidaza izany. Ho afaka mamokatra indroa isan-taona ny tantsaha satria tanimbary 300 ha no hotondrahina. Ho fitsinjovana ny mponina eny Sabotsy Namehana, eo amin’ny fandoavana ny volan’ny Jirama, […]
Fiaraha-monina
FIRST Global Challenge 2024 : nomen’ny Telma fanomezana ny ekipa malagasy
Noharahabaina tetsy amin’ ny Campus Telma Andraharo, omaly, ireo ekipa nandray anjara sy tafakatra tamin’ny fifaninanana manasa-dalana “First Global Challenge 2024”. Fifaninanana “Robotika”, nampivondrona tanora manerana izao tontolo izao, natao tany Athènes. Notoloran’ny Telma fanomezana toy ny finday sy lelavola mitentina 1 000 000 Ariary izy ireo. Marihina fa nandrombaka ny medaly […]
Mponin’Andravoahangy : hisitraka fahasalamana manakaiky vahoaka
Anjaran’ny mponina eny Andravoahangy indray no hisitraka ny hetsika ara-pahasalamana maimaimpoana, amin’ity herinandro ity. Ao amin’ny Centre socio sanitaire no hanatanterahana izany. Efa mitsinjara amin’ireo efitrano maromaro ny sampandraharaha mandray ny marary sy ireo olona mila torohevitra. Ankoatra ny fizaham-pahasalamana ankapobeny, izay hatao ao amin’ny varavarana faharoa dia misy koa […]
Aretina haromotana : tsy misy fanafana raha vao miseho ny soritr’aretina
Tsy mamela mahazo ny aretina haromotana. Nisy ny hetsika fanaovana vaksiny maimaimpoana ireo alika sy saka teny amin’ny distrikan’Avaradrano ary hitohy any Mahajanga sy Farafangana ary Antsirabe izany. Manohy ny hetsika famantarana sy fahamailoana amin’ny aretina haromotana ny sehatra fanaraha-maso ity aretina ity ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (Coramad). Nisy […]
INDRAY MIJERY
Mihamafy hatrany ny fahatapahan-jiro sy ny fahatapahan-drano eto Antananarivo sy ny manodidina. Andro aman’alina ny fiandrasana laharana sy izay andehanan’ny rano eny amin’ny paompim-pokonolona. Na ireo tanàna nisitraka rano naharitra hatrizay aza lasa mijaly rano ankehitriny. Fotoana mampirongatra ny karazan’aretina, indrindra ho an’ny sokajin’olona marefo, ny fotoan’ny hafanana migaina raha […]




