Fiaraha-monina

Fitsaboana ny aretin’ny lalandra sy ny fo : lafo ny fanafody sy ny fitaovam-pitsaboana

Mbola olana ho an’ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara ny fananan’ny olona tosidra ambony. Ho an’ny olona 25 ta­o­na no ho miakatra, ma­hatratra 35,8% no manana tosidra ambony, araka ny fanadihadiana farany nataon’ny manam-pahaizana manokana momba ny fitsaboana ny aretin’ny fo sy ny lalandra.  “Lafo ny vidim-panafody hitsaboana ny aretin’ny fo sy […]

Ady amin’ny lefan-kozatra: hanomboka rahampitso ny fanaovam-baksiny

Hanomboka rahampitso ny hetsika fanaovam-baksiny miaro amin’ny aretina polio na lefakozatra, ho an’ny zaza latsaky ny 5 taona. Tantera­hina manerana ny Nosy izany ary haharitra 4 andro. Hidina ifotony, hitety fokontany sy isan-tokantrano ny mpanao vaksiny. Afaka misitraka izany ny zaza latsaky ny 5 taona rehetra. Manodidina ny 5 tapitrisa ireo zaza […]

Fividianana “seringue” : tsy ilàna taratasin’ny dokotera

Nisy fotoana, voarara ny fividianana fitaovam-panindronana na “séringue” teny amin’ny fivarotam-panafody sasany teto Antananarivo, raha tsy misy taratasy avy amin’ny dokotera (ordannance). Nampimenomenona sy niteraka fahasorenana tamin’ny mpanjifa sasany izany. Manoloana izany, nanambara ny holafitry ny farmasianina eto Madaga­sikara, afakomaly, fa malalaka ny fividianana izany. Voalazany fa tsy tomponandraikitra sy tsy nanana fahefana hilaza […]

Fivezivezen’ny sarety: misy toerana tsy azo aleha, handrindrana ny fifamoivoizana

Voararan’ny lalàna mihitsy ! Tsy azon’ny sarety ivezivezena ny ampahan-dalana sasantsasany eto Antananarivo. Mila hajaina izany handrindrana ny fifamoivoizana. Nampahatsiahy ny kaominina Antana­narivo Renivohitra mahakasika ny fitsipika mifehy ny fivezivezen’ny sarety eto amin’ny faritra Antananarivo. Voafa­ritry ny didim-pitondrana laharana faha 1913-MID/ PREF.POL, tamin’ny 31 mey 2019, fa voarara ny fifamoivoizan’ny sarety amin’ny ora rehetra amin’ireo […]

Fandehanana any Etazonia : niakatra ny saran’ny visa

Nampahafantatra ny ma­soivohon’i Etazonia, amin’ny alalan’ny biraon’ny kaonsilary, fa manomboka ny 30 mey izao dia hiakatra 185 dolara raha 160 dolara teo aloha ny saran’ny visa mankany Eta­zonia ho an’ny fizahantany sy ho an’ny fianarana (NIV) tsy mifototra amin’ny fifanarahana arakasa. Ny saran’ny visa mahakasika ny asa vonjimaika dia hiakatra […]