Fiaraha-monina

Olona manana fahasembanana : Tokony hisitraka zo feno toy ny rehetra

“Ampitomboina ny anjara andraikitra maha mpitari-dalana ny olona manana fahasembanana, ahitana firaisankina maharitra”. Io no lohahevitry ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny olona manana fahasembanana, izay nomarihina omaly. Olona 1 amin’ny 6 no sembana, raha ny tarehimariky ny OMS. Tafiditra ao anatin’ny sokajin’olona marefo izy ireny. Satria, heverina hamoy ny ainy […]

Kolontsain’ny fandraharahana : Hatomboka amin’ny CEG 23 ny tetikasa « Ankizy hihary »

Mpampianatra 22 370 no efa nahazo fiofanana hanatanteraka ny tetikasa « Ankizy hihar »y eny anivon’ny CEG 23, ety am-piandohana. Hamolavola mpianatra hamorona asa ho an’ny tenany no tanjona satria efa manana fahatokisan-tena amin’ny hoavy izy ireo. Notanterahina, omaly, teny amin’ny CEG Na­ni­sana ny lanonana fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny tetikasa “Ankizy hihary”, […]

INDRAY MIJERY

Sampam-panofanana maro no nahafahan’ireo tanora amam-behivavy miisa 10 323 nisoratra anarana hiatrika ny fiofanana faobe amin’ny « Fijery hafa ». Hetsika karakarain’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, any Toamasina. Nahandro, Informatika, Mécanique auto, Mécanique moto, Fikirakirana hazo, Zaitra ireo lalam-piofanana natolotra. Manomana ny Comission nationale d’habilitation (CNH) ny eo anivon’ny […]

Akany Sejafa Farafangana : Voaray ny vatsy ho an’ireo ankizy varira

Avy hatrany dia natolotra ny talen’ny akany Sejafa, mitaiza ireo ankizy manana fahasembanana sy ireo manana toetena varira ao farafangana, ny fanampiana azo nandritra ny tolo-tanana natao tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Nahatratra 1 551 900 Ar ny lelavola voaangona nandritra ny 3 andron’ny hetsika. Teo koa ny vary sy ny kojakoja […]

Fivorian’ny SADC tany Zimbabwe : nidinika momba ny fiatrehana ny El Nino

Notanterahina ny herinandro lasa teo, tao Victoria Falls Zimbabwe, ny fivorian’ireo minisitra misahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza, avy amin’ireo firenena 16 mandrafitra ny vondrona SADC. Nandray anjara i Madagasikara ary nitarika ny delegasiona ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Atitany, Razafiarison Jean Jugus. Hakana fanapahan-kevitra momba ny lohahevitra maromaro […]