Mbola anatin’ny herinandron’i Eoropa isika. Maro karazana ny hetsika hanamarihana ity fankalazana ity. Omaly, nisy ny atrikasa natao, teny Ankorondrano, nihaonan’ny Vondrona Eoropeanina tamin’ireo sehatra tsy miankina. “Mikasa hanohana ny Malagasy mpandraharaha amin’ny fidirana eo amin’ny tsena eoropeana ny Vondrona Eoropeanana”, hoy ny fanazavan’ny masoivohony eto Madagasikara, Isabelle Delattre. Misy […]
Fiaraha-monina
Betongolo : vehivavy nendahin’ny jiolahy tao anaty taxi-be
Mitsikombakomba amin’ ny resevera! Vehivavy iray nendahin’ny jiolahy tao anaty taxi-be teny Betongolo, omaly. Niditra toy ireny mpandeha ireny ny jiolahy roa niaraka tamin’ny antsy. Araka ny fanazavan’ilay niharam-boina, teo akaikin’ny chapelle militaire Betongolo, omaly tamin’ny 9 ora sy 30 mn no nitranga ity fanendahana ity. Jiolahy roa nitondra antsy […]
Kaominina Toamasina : “Tsy mazava ny fitantanam-bola”
Boky rovitra no azo ilazana ny zava-misy eo anivon’ny fitantanan-draharahan’ny kaominina ambonivohitr’ i Toamasina, araka ny fanadihadiana natao. Tsy tokony hisy olana ny karaman’ny mpiasa. 18 ny tsena, manampy ireo fivarotana ivelan’ny tsena, ny fampiasana ny moron-dalana, ny guichet-na taksiborosy, ny bar sachet eny amoron-dranomasina. Ny posy izay efa miakatra […]
Yali MWF : tanora 11 mianadahy hanainga ho any Etazonia
Nihaona tao amin’ny masoivoho amerikanina tamin’ ity herinandro ity ireo tanora mpitarika 11 mianadahy voafantina hisitraka ny vatsim-pianarana “Mandela Washington Fellowship for Young African Leaders» (YALI MWF) amin’ity taona 2023 ity. Nanomana ny diany izy ireo ary hifankafantatra bebe kokoa. Tamin’ izany koa no nampahafantaran’izy ireo izay andrasany amin’ity programa […]
Faritra Fitovinany : te hahaleo tena ireo manana fahasembanana
Tanterahina any amin’ny faritra Fitovinany, ao Manakara, ny herinandro faharoa hanamarihana ny iray volan’ ny fiahiana sosialy. Lohahevitra novoizina ny fandraisan’andraikitr’ireo olona manana fahasembanana. Niompana tamin’ny fahaleovantenan’ireo sokajin’ olona manana fahasembanana ny dinika ka nahafahana nihaino ny faniriany sy ny fomba fijeriny hanatsarana ny fiahiana azy ireo. Nisongadina nandritra ny resaka […]