Fiaraha-monina

Fifehezana ny fihetseham-po : Tanora 100 nahazo fiofanana teny Mahamasina omaly

Nanaraka fiofanana momba ny fifehezana fihetseham-po ny tanora 100, nofantenan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, omaly. Tafiditra amin’ny hetsika 16 andro iadiana amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy izany. Mitohy ny hetsika 16 iadiana amin’ny herisetra. Nisy ny fampiofanana tanora miisa 100 omaly, teny Mahamasina. Niom­pana tamin’ny […]

INDRAY MIJERY

Mibahan-toerana ny orana amin’ny tapany avaratra sy ny afovoantany noho ny fisian’ny rindrin-drahona. Miakatra be ny maripana any amin’ny morontsiraka andrefana sy atsimo atsinanan’ny Nosy. Misy ny faritra mahazo ny fampitandremana noho izay habetsahan’ny rotsakorana izay. Hisy farafahakeliny rivodoza roa mety hahatratra an’i Madagasikara amin’io taona 2025 io. Manoloana ireo […]

Fanofanana faobe : nitohy tany Toamasina ny “Fijery hafa”

Nanatanteraka fitsidihana ireo ivontoeram-panofanana, LTP sy CFP ary ny biraom-paritry ny minisiteran’ny Fam­pianarana teknika sy fanofanana arakasa, ao Toamasina, ny minisitra mpiahy, Rasoloa­risoa Marie Marcelline, ny herinandro lasa teo. Mifototra amin’ny fikarohana paikady entina manatsara ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fanofanana izao fidinana ifotony izao, araka ny nambarany. Nitafa tamin’ireo […]

Ho an’ny vahoaka any Atsimo : nanohana ny Pam i Chine

Vokatry ny tohana avy amin’ny governemanta sinoa, tamin’ny alalan’ny Cidca, afaka hanohana ara-tsakafo olona 43 600 any Atsimo, manomboka amin’ity volana ity hatramin’ny volana marsa 2025, ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam). Afaka nividy vary milanja 1 590t ho fanampiana ho an’ny ankizy tratran’ny olana ara-tsakafo 32 000 sy fianakaviana […]

Tantsoroka ho an’ny tanora tantsaha : nanangana kaoperativa ny Observatoire de la jeunesse

« Manao ezaka ny Observatoire de la jeunesse amin’ny fampidirana ny tanora, tantsaha, amin’ny sehatry ny asa sy ny fandraharahana », hoy ny sekretera mpanatanterak’ity sehatra ity, Ratsida Lanto. Tsapan’izy ireo fa hitondra fampananan’asa ho an’ny tanora ny kaoperativa. Miezaka mifampiraharaha amin’ny orinasa mpandray vokatra ny mpikarakara ahafahana mivarotra izany eto an-toerana, […]