Manana zo hahazo vaovao momba ny fifidianana sy haneho ny safidiny malalaka rehefa tonga ny andron’ny fifidianana ny olona manana fahasembanana. Volana maromaro mialoha ny hirosoana amin’ny fifidianana eto amintsika, tsy voaresaka mihitsy ny momba ny fampandraisana anjara ny olona manana fahasembanana, araka ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny tambajotra malagasy momba […]
Fiaraha-monina
Fifidianana tsy mitondra korontana : manana andraikitra goavana ny mpanao gazety
Manofana sy manabe ireo olom-pirenena handray andraikitra amin’ny fifidianana ny Safidy (Sampana Anaraha-maso ny Fifidianana Ivon’ny Demokrasia Ifarimbonana). Nifarana omaly, tetsy Antananinarenina, ny atrikasa nokarakarian’izy ireo ho an’ny mpanao gazety, nandritra ny telo andro. Atrikasa mikasika ny paikadim-panabeazana sy fanentanana ny olom-pirenena handeha hifidy. “Manana anjara andraikitra goavana ny mpanao gazety […]
Areti-mandoza : andairan’ny lefakozatra ny olon-dehibe
“Efa tsy ireo zaza intsony fa azon’ny lefakozatra hatramin’ny olon-dehibe amin’izao fotoana ”, hoy ny teknisianina eo anivn’ny DPEV, Dr Ranivoarison Jean Eric. “Nalemy teo am-pandriana ka niafara tamin’ny famoizan’aina avokoa ireo olon-dehibe tratran’io aretina io teto Analamanga”, hoy ny fanamafisany. Hiadiana amin’ny fiparitahan’io valanaretina io, hisy ny hetsika vaksiny faobe […]
Fanjarian-tsakafo : Iankinan’ny fisokafan’ny vavahadin-tsain’ny zaza
Tafiditra ao anatin’ny tontolon’ny fanjarian-tsakafo ny sehatry ny fanokafana ny vavahadin-tsain’ny zaza, raha ny lohahevitra noresahin’ny Ofisim-pirenena misahana ny fanjarian-tsakafo (ONN), omaly. Tsy tokony hatao ambanin-javatra, araka izany, ny sakafo ampy sy iankinan’ny fitomboan’ny zaza na ara-tsaina na ara-batana ao anatin’ny enin-taona voalohany hanokafana ny vavahadin-tsainy. Tombontsoa amin’ny fikoloana ny […]
Marotondro Vida : hanatsara ny tahan’ ny fanaovam-baksiny
Manana marotondro Vida azo kirakiraina amin’ny alalan’ny teknolojia vaovao ny fandaharanasa momba ny fanaovam-baksiny eto amintsika. Fitaovana iray manome torolalana amin’ny paikady hanatsarana ny fanaovam-baksiny izy ary ahitana ny antontanisa rehetra momba ny fahavitrihana, famatsiam-bola, ny fampitaovana samihafa eny anivon’ny distrika. Manampy amin’ny fanapahan-kevitra eny ifotony raisin’ny tomponandraikitra ny Vida […]