Fiaraha-monina

Tetikasa  Iarivo Speaking English : tanora 60 mianadahy mahafehy ny teny anglisy

Mpianatra 60 mianadahy, nanaraka ny fampianarana teny anglisy maimaimpoana nokarakarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny tetikasa « Iarivo Speaking English », no notolorana mari-pankasitrahana, omaly , tetsy amin’ny Tranompokonolona Ana­la­kely. Nisalotra ny anarana “Pride of Iarivo” ity andiany fahatelo ity. Nianatra nandritra ny efa-bolana izy ireo ary ma­havoafehy tanteraka ny teny anglisy […]

Kaominina Ivato : 1000 isan’andro ny tonga manao kara-tany

Nanomboka ny talata teo ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo olona mikarakara ny kara-tany , eny amin’ny kaominina Ivato. Ta­fiditra ao anatin’ny tetikasan’ny fanjakana tarihin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, hanaovana kara-tany faobe, hahafahan’ireo olona misitraka ny taniny ara-dalàna ny hetsika. Manodidina ny 1.000 isan’andro ny olona tonga ma­nao ny fangatahana kara-tany ao anatin’ity hetsika […]

Fanondranana zaza antsokosoko : tsy afa-miditra eto Madagasikara intsony i Dylan Thiry

Nanao fanambarana iombonana omaly, ny minisitera 5 voakasiky ny raharaha Dylan Thiry, ilay voalaza fa nanao fanondranan-jaza antsokosoko. Nisy ny horonampeo niparitaka teny amin’ny tambajotra sosialy izay niaingan’ny fanadihadiana. Vantany vao nitranga ny fiparitahan’ny horonampeo dia nanao fanadihadiana avy hatrany ny eo anivon’ny polisim-pirenena misahana manokana ny fivezivezena eny amin’ny […]

Tsy mbola ampy ny amperinasa eto amintsika : am-polony ireo rasazy mitady ravinahitra any ivelany

14 500 ny isan’ny rasazy voasoratra anarana ho mpikambana ao anatin’ny holafitry ny mpampivelona eto Madagasikara, hoy ny filohan’ny holafitra, Ranoro­malala Oméga, omaly teny Ivato. Tokony miditra ho mpikambana avokoa ireo mpianatra vaovao nahazo ny diplaoma licence, taorian’ny fianarana telo taona na Master raha mbola nanohy, araka ny voafaritry ny lalàna. […]

Tsy nandray karama 4 taona: hampiato ny fampianarana ireo vakatera amin’ny oniversite

Maro tamin’ireo mpampianatra vakatera eny anivon’ny ambaratonga ambony miankina amin’ny fanjakana ny tsy mbola nandray karama tao anatin’ny 4 taona. Manaitra ny sain’ny fanjakana izy ireo, noho izany, alohan’ny hampiatoana ny fampianarana. Nanao fanambarana tamin’ny mpanao gazety, teny Anka­tso, ireo mpampianatra vakatera miasa eny anivon’ny oniversiten’Anta­na­narivo sy ny Seces, omaly. […]