Fiaraha-monina

Fikambanana Vendée Akamasoa : nahazo toeram-pitsaboana Antolojanahary

Vita ny toeram-pitsaboana eny Antolojanahary, an’ny fi­ka­m­banana Akamasoa tantanin’i mompera Pedro. Nanohana ny fananganana ny ftodrafitrasa ny département de la Vendée (Fran­tsa) rehefa nahita ny eza­ka nataon’i Mompera sy ny mpiara-miasa aminy. Nanom­bo­ka ny taona 2010 no nijoro ny fikambanana Vendée Aka­ma­soa hanao tantsoroka ny asa samihafa entina hanatsarana ny […]

KItrotro sy lefakozatra: hisy ny fanaovam-baksiny faobe fiarovana

Nanomboka ny fiandohan’ny taona ka hatramin’izao, 54 ny isan’ny trangan’aretina kitrotro niseho teto Madagasikara. Ambositra sy Ikongo ny tranga farany voamarina. Ilaina ny fanaovam-baksiny isorohana ny fiparitahan’ny valanaretina. Hisy hetsika fanaovam-baksiny faobe isorohana ny aretina lefakozatra sy kitrotro ampiarahana amin’ny fanatrarana ireo andiam-baksiny tsy mbola vita ho an’ny zaza vao […]

INDRAY MIJERY

Hisitraka fizarana rantsam-batana artifisialy (prothèse artificielle) ny olona marefo ara-pivelomana manana fahasembanana 500. Hetsika hatao mandritra ny 42 andro, iarahan’ny fitondram-panjakana malagasy sy ny governemanta Indiana izany, araka ny fampahafantarana nandritra ny filankevitry ny minisitra. Voalaza nandritra ny dinika momba ny famatsiam-bolan’ny fananahana ara-pahasalamana any New York fa anisan’ireo modely […]

“First Global Challenge 2024”: haharitra hefarana ny hetsika any Athènes

An-jatony ny firenena ma­ndray anjara amin’ny hetsika fifaninanana “First Global Challenge 2024” any Athènes ary manana solontena isika. Efa tonga any an-toerana ny tanora dimy mianadahy voasafidy hisolontena an’i Mada­gasikara amin’izany fifaninanana iraisam-pirenena mo­mba ny robotika izany. Na­nomboka omaly ka hatramin’ny alahady ho avy izao ny fifanintsanana, araka ny fanazavan’ny […]

Tsy fahampian-drano : hametrahana lavadrano Antananarivo

Anisan’ny iharan’ny fijaliana noho ny fahatahapahan’ny rano vokarin’ny Jirama matetika ny toerana maro eto Antananarivo. Ahitana tsy fahampiana 100 000m³ ny rano vokarin’ny orinasa Jirama ho an’ny faritra Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Atsimondrano, Antananarivo Avaradrano ary Ambohidratrimo, raha ny fanazavana voaray. Ametrahana lavadrano 35 vonjimaika ireo toerana ireo, araka izany, mba […]