Ho fiomanana ny fankalazana ny fetin’ny Noely, mikarakara “Bazar de Noël”, andiany faha-60 ny Wednesday Morning Group (WMG). Hatao etsy amin’ny Hôtel Carlton Anosy, ny 30 novambra izao izany. Hiarahan’izy ireo miasa amin’ny ambasadaoro maro sy orinasa samihafa, toy ny groupe Andriantsotahiana. “Natokana ho amin’ny fanofanana ireo vehivavy sy renim-pianakaviana […]
Fiaraha-monina
Ho mariky ny fanohanana ireo marefo: nanome jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro Rajoelina Mialy
Mariky ny fijoroan’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika manohana hatrany ireo vehivavy ianjadian’ny herisetra ary mampirisika azy ireo hioitra sy hanarin-tena, ny hetsika natao omaly. Lohahevitry ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena hanafoanana ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy ny hoe “mijoro sy manarin-tena rehefa avy niharan’ny herisetra”. Nanolotra jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro […]
INDRAY MIJERY
Nanome vary ny fanjakana malagasy, amin’ny alalan’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam), ny governemanta sinoa, ny faran’ny herinandro teo, Tany Toliara. Ahazoana manohana ara-tsakafo fianakaviana marefo maro mandritra ny telo volana ny fanampiana azo. Nanolotra vary ihany koa ny Koreanina Tatsimo, mba hahafahan’ny Pam manohy ny asa ao […]
Ady amin’ny VIH/Sida : mila averina ny fanabeazana ara-pananahana eny an-tsekoly
Mihatanora ireo olona mitondra ny tsimokaretina VIH/ Sida amin’izao fotoana. Nivoitra izany nandritra ny fifampizarana nataon’ireo mpiantsehatra, omaly, ary nohamafisin’ny ONG Réseau Mad Aids. Tokony haverina ny fanabeazana ara-pananahana ho an’ny tanora any an-tsekoly hamantarany ny fiarovan-tena sy ny tokony hataony manoloana ny fiparitahan’ny valanaretina VIH/Sida. Mila omena fahalalana amin’ny […]
Fanabeazana : mpianatra 3 000 hisitraka tetikasa « Ankizy Mihary »
Natomboka tao amin’ny CEG Amborovy Mahajanga ny tetikasa « Ankizy Mihary », tamin’ity herinandro ity. Mpianatra eo anivon’ny sekoly ambaratonga faharoa miisa 3 000 mahery manerana ny Nosy no hisitraka izany. Tanjona ny hikatsahana famoronana asa, toy ny asa tanana, rary rafia, ny fiompiana trondro anaty dobo… Mba tsy hiantehitra amin’ny fitadiavana […]





