Fiaraha-monina

Rafanomezantsoa Jean Nirina: « Be loatra ny antoko politika eto amin’ny firenena… »

“Henjana ny fifampihantsiana ara-politika eto Ma­dagasikara. Ny fanaovana fifanarahana politika ihany no vahaolana ialana amin’izany ka zaraina telo mazava : ny afaka hofidiana dia ny mpomba ny fitondrana, ny mpanohitra ary ny hery afovoany”, hoy ny filohan’ny Hafari Malagasy, Rafanome­zantsoa Jean Nirina, manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana […]

Fiahiana sosialy : horesahina ny mikasika ny RSU

Tanterahina any amin’ny faritra Atsinanana nanomboka omaly, ny hetsika “Iray volan’ny fiahiana sosialy”, karakarain’ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy. Hiompana amin’ny lohahevitra maro ny lahadinika, ka horesahina anio, ao amin’ny Academy Centre ny mikasika ny “Régistre Sociale unique” na RSU. Fitaovana iray manan-danja mirakitra […]

Fondation Axian-First Immo : notokanana ireo trano vaovao 20 eny amin’ ny Akamasoa

Notokanana ny faran’ny herinandro teo, ny trano vaovao miisa 20, eny amin’ny Akamasoa, Mangarivotra. Toerana fandraisana ireo fianakaviana tsy manan-kialofana. Fiaraha-miasa amin’ny Fondation Axian sy ny First Immo ary ny Akamasoa no nahavitana izany. Tafiditra ao anatin’ny andiany faharoa amin’ilay fandaharanasa Tafontsika ireo trano vaovao 20, ho an’ny fianakaviana sahirana ireo. […]

Faritra Atsinanana : mpampianatra 496 tafiditra mpiasam-panjakana

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha-65 taonan’ny lycée Jacques Rabemanan­jara, ao Toamasiana. Lisea lehibe indrindra eto Mada­gasikara, ahitana mpianatra eo amin’ny 4000 eo ho eo. Nanatrika ny lanonana ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michèlle. Nandritra ny fotoana, ni­zarana taratasy fifanarahana arakasa ireo mpampianatra andiany fahasivy, voaray ho mpiasam-panjakana. Miisa […]

Toamasina : niteraka fandratrana ilay kapa lamaody

Anisan’ny mampidi-do­za ny ankizy mpianatra matetika ny fanaovana ireny kapa fitondran’ny mpiasan’ny fa­hasalamana ireny. Vokany, nandray ny andraikiny ny teo anivon’ny CEG, Radama I, fokontany Tana­makoa ao Toamasina, tamin’ny herinandro lasa iny. Nampo­diana niverina tany amin’ny ray aman-dreniny ireo ankizy rehetra nanao ireny. No­sakanana vao ma­raina teo ambavahadin’ny sekoly mi­hi­tsy […]