200 ny tetikasa nandray anjara tamin’ny fifaninanana nasionaly iarahana amin’ny Orange Madagascar.Valo tamin’ireo, niatrika ny famaranana manoloana ny mpitsara. Natolotra omaly ny loka ho an’ny mpandresy. Kante Company, tetikasa natolotr’Andriamitasoa Roussel Célestin, no nahazo ny laharana voalohany tamin’ny « Prix Orange de l’entrepreneur social en Afrique et Moyen-Orient (Poesam 2024). Vovonana […]
Fiaraha-monina
INDRAY MIJERY
Nandray ireo delegasiona frantsay avy amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ireo ekipa avy ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena eto an-toerana ny minisitry ny Fampianarana teknika, tamin’ity herinandro ity. Tanjona ny hametraka fiaraha-miasa hampivoarana ny tontolo ambanivohitra sy ny fampiofanana ireo tanora misehatra amin’ny fambolena. Manampy ireo ny fifampizarana […]
SEKOLY TELMA: Arifomba ny EPP ao Vatomasina
Notokanana omaly ny EPP Ampanonoma Vatomasina, ao amin’ny kaominina Vohipeno, faritra Fiovinany. Natao hahazaka rivodoza izay matetika mamely ny faritra Vatovavy ny efitranon-tsekoly namboarina. Ahitana efitrano fianarana miisa 7. Misy vovondrano ahazoana rano maharitra sy jiro mandeha amin’ny angovo azo havaoizina ihany koa ny sekoly. Etsy andaniny ny toeram-pivoahana sy […]
Ady amin’ny herisetra: naka traikefa ny vadin’ ny mpitandro filaminana
Haharitra roa taona ny tetikasa Hope (fanantenana), izay finiavana nentin’ny Henka Suru, mitondra any amin’ny fiovan’ny toe-tsaina. Vehivavy 300 mahery nisitraka ny fifampizarana avy amin’ny tetikasa. Nanolotra ny mariky ny fahavitan’ny asa voalohany ny vadin’ny filohan’ny Repoblika. Notoloran’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika sady reny mpiahy certificat ireo vehivavy nisitraka ny fifampizarana […]
Rio Tinto QMM : nizara kit scolaire tany amin’ ny faritra Anôsy
Anisan’ny nanampy betsaka ireo mpianatra sy ny ray aman-dreny tany amin’ny distrikan’i Taolagnaro, faritra Anôsy, ny hetsika ara-tsosialy nataon’ny Rio Tinto QMM. Tamin’ny alalan’ny fizarana fitaovam-pianarana. Nifarana afakomaly ny fizarana fitaovam-pianarana nataon’ny Rio Tinto QMM, tany amin’ny distrikan’i Taolagnaro, faritra Anôsy. Nisitraka izany ireo mpianatra 11 258 ao anatin’io distrika […]




