Fiaraha-monina

Tsy ampy ny mpampivelona: 10 isan’andro ny vehivavy bevohoka maty

10 isan’andro ny vehivavy maty eo am-piterahana na eo am-pitondrana vohoka noho ny tsy fahampian’ny mpampivelona. Mpampivelona 2,5 no miahy vehivavy 10000 isa eto Madagasikara. Nifampizara fahalalana tamin’ny mpanao gazety ny fikambanan’ny rasazy, omaly, teny amin’ny foiben’ny Nations Unies, Andraharo. Fihaona­na nokarakarain’ny UNFPA (Agence des Nations Unies pour la santé […]

covid-19 : misy tranga vaovao 19

Mbola hita eny anivon’ny fiarahamonina ny valanaretina covid-19. Manaporofo izany, indrindra ny tatitra navoakan’ ny minisiteran’ny Fahasa­lamam-bahoaka, satria nahitana tranga vaovao 19 indray tao anatin’ny herinandro farany. Mitontaly 26 kosa ireo mitondra ny aretina. Midika izany fa tsy mbola foana velively ity aretina ity. Miaina miaraka amin’ny fiarahamonina eny ka […]

Faritra Atsinanana: 34% ny taham-panaovana vaksiny

Ampy ho an’ny distrika rehetra mandritra ny taona ny vaksiny ao amin’ny tobim-baksinin’ny faritra Atsinanana, raha ny nambaran’ny tomponandraikitra misahana ny an­tontan-kevitra, Rahari­ma­na­na Honoré. Nahatratra 34% ny tahan’ny fanaovam-baksiny amin’ny ankapobeny ao an-toerana. Ho an’ny vaksiny miaro amin’ny aretina covid-19, anisan’ny be mpampiasa ny Janssen. 84% kosa ny tahan’ny fanaovam-baksiny […]

Hépatite B : areti-mandoza sy mamono mangina

Hotanterahina tsy hoela eto Madagasikara ny tetikasa ha­hafahana miady amin’ny aretina hépatite B. Karakarain’ny fikambanan’ny mpitsabo amerikanina, mivondrona ao amin’ny fikambanana “hépatitis B free”. Vinavinaina haharitra 3 taona ary hahiditra ao amin’ny tetikasan’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tanjona ny hahafahana miady amin’ny fiparitahan’ny aretina maneran-tany. “Areti-mandoza, mahafaty, mamono mangina ary mora mifindra […]

Fitaovana ara-pahasalamana : 4,5 miliara Ar ho an’ny faritra dimy avy amin’ny Usaid Impact

Mitaky maripana, manaja ny fenitra takina ny fitehirizana ny vaksiny. Nahazo fitaovana arifomba avy amin’ny governemanta amerikanina i Madagasikara hanampy ireo efa amperinasa amin’izao fotoana. Nanolotra fitaovana arifomba ho an’ny fitehirizam-baksiny, mitentina 4,5 miliara Ar, ho an’i Madagasikara ny governemanta amerikanina. Amin’ny ala­lan’ny USAID Impact no naaovana izany ka tanterahin’ […]