Fiaraha-monina

ASFM : 30 taona nikojana ny zavamaniry

Loharanom-bahaolana sy fanantenana amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny voka-pikarohana. Mandray anjara amin’izany ireo vehivavy mpikaroka ao amin’ny fikambanana siansa sy vehivavy eto Madagasikara (ASFM) eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Anisany iantsorohan’izy ireo ny fanaraha-maso sy fikojakojana ireo zavamaniry tsy hita raha tsy eto Madagasikara, novolen’izy ireo […]

Fahasalamana eto Madagasikara : manamafy ny fanaraha-maso ny fampiasam-bola i Etazonia

Miara-miasa hatrany amin’ny governemanta malagasy ny governemanta amerikanina, indrindra eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana. Hamafisin’izy ireo ny fanaraha-maso ny fampiasam-bola eo amin’io sehatra iray io. Manamafy ny fanaraha-maso ny rafitra fampiasam-bola eo amin’ ny sehatry ny fahasalamana eto Madagasikara ny governemanta amerikana, amin’ny alalan’ny Sampandraharaha amerikanina misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID). […]

INDRAY MIJERY

Nisy ny fampiofanana sy fanentanana ireo mpiasa eny anivon’ny Direction générale du contrôle financier (DGCF), afakomaly, momba ny tandrohasina sy ny fitsipi-pitondrantenan’ny mpiasam-panjakana ary ireo toromarika amin’ny fitsipika mifehy. Sampandraharaha miisa 12 sy delegasiona 32 no nisitraka ny fanentanana anatin’ny fifampizarana indimy miantoana. Nanatanteraka ny fampiofanana ny fitaleavana misahana ny […]

Orinasa KFC : manome sakafo 5 000 isan-taona ho an’ny ankizy sahirana

Dimy taona no nahatongavan’ny orinasa KFC teto Madagasikara, izay fantatra amin’ny fanamboarana sakafo sy fampisakafoana. Nitondra fivoarana ho an’ny tontolon’ny asa izy satria afaka namome fivelomana ho an’ny sokajin’olona maro. Anisan’izany ny mpamboly legioma any Am­pefy, izay mamatsy ny orinasa tsy tapaka. Nitombo avo telo heny tao anatin’ny dimy taona […]

Tetikasa UWS : nampiakatra ny voka-panadinana CEPE

Tontosa ny fanaovana tombana ny zava-bita sy ny asa nentin’ny tetikasa UWS. Mikendry ny hanatsara ny fahafahana miditra amin’ny fanabeazana tsara kalitao any amin’ny faritra lavitra ny fiaraha-miasa amin’ny UWS. Asa telo no natao, fananganana fotodrafitrasa, fanofanana mpampianatra mifanaraka amin’ny fenitra avy amin’ny minisitera foibe ary fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra […]