Eo am-piomanana amin’ny fiatrehana ny fanadinana CEPE sy BEPC ny tomponandraikitry ny fanabeazana eto amintsika amin’izao fotoana izao. Tanterahina ao anatin’ny roa volana fahadimy ny andrana ho an’ny fanadinam-panjakana roa. Telo ny CEPE andrana karakarain’ny Cisco Avaradrano amin’ity taona ity mialoha ny hiatrehana ny fanadinam-panjakana CEPE, ny 20 jona ho […]
Fiaraha-monina
Ambohimanambola : mihatra ny « couvre-feu »
Namoaka didy ny kaominina Ambohimanambola fa mihatra ny « couvre-feu » na tsy fahafahana mivezivezy mandritra ny fotoana voafetra, nanomboka omaly. Noraisina izany fanapahan-kevitra izany noho ny tsy fandriampahalemana nisesy tao an-toerana. Tsy azo atao, araka izany, ny mivezivezy ao anatin’ny kaominina Ambohimanambola manomboka amin’ny 9 ora alina ka hatramin’ny 3 ora maraina. Ireo […]
Firenena 4 anatin’ny COI: hamafisina ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza
Manao atrikasa mandritra ny hateloana eto Madagasikara ny firenena 4 ao anatin’ny vondron’ny ranomasimbe indianina : Madagasikara, Maurice, Comores ary Seychelles momba ny fanamafisana ny fahazai-miatrika sy ny fitantanana ny asa rehefa misy loza na voina aty amin’ny ranomasina indianina. Tanjon’ny fihaonana ny fanombanana ny fandrosoan’ny fandaharanasa iraisan’ny firenena mpikambana sy […]
Fikambanana Malaza ny Gasy : ankizy sahirana 5 500 raisina an-tanana
Mahatratra 5500 ireo ankizy sahirana raisin’ny fikambanana Malaza ny Gasy an-tanana manerana ny Nosy. Mahatratra 250 ireo mpanabe mampianatra azy ireo. Manampy sy mampianatra ireo ankizy sy tanora sahirana manerana ny Nosy, indrindra ny ankizy kere any amin’ny faritra Atsimo ny fikambanana, amin’ny alalan’ny “Ecole de la chance”. “Mbola misedra olana ny […]
Distrikan’i Vangaindrano : fianakaviana manodidina ny 1 000 hotohanana ara-tsakafo
Sahirana amin’ny sakafo ny mponina ao amin’ny distrikan’i Vangaindrano taorian’ny fandalovan’ny rivodoza farany teo. Hidina any an-toerana ny ekipan’ny BNGRC hitondra vary hamonjena azy ireo. Hanainga amin’ny herinandro ambony ny fiara hitondra sakafo ho an’ireo fianakaviana tratran’ny hanoanana ao amin’ ny distrikan’i Vangaindrano, araka ny fanambaran’ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Andriakaja […]