Tontosa ny atrikasa famolavolana fitaovana hoenti-manatontosa tantsoroka ho an’ny mpampiofana. Notanterahin’ireo mpamolavola isaky ny foibem-pitondrana voakasika sy ireo tomponandraikitra isaky ny faritra, ny herinandro lasa teo, izany. Voafaritra, tamin’izany, ireo akora fototra ahafahana manodina sy mandrakitra an-tsary ireo tohana omena ny mpampiofana sy ny mpitantsoroka. Ahitana lohahevitra 22, miompana amin’ny […]
Fiaraha-monina
Fitantanana ny loza: miray ombon’antoka ny BNGRC sy ny Banky iraisam-pirenena
Lohalaharana amin’ny fandrafetana ny paikadim-pirenena miompana amin’ny fiatrehana ny loza sy ireo paikady maro mahakasika ny fiomanana amin’ny fiavian’ny fotoam-pahavaratra ny Banky iraisam-pirenena. Teo anilan’ny BNGRC hatrany izy ireo. Nitafa sy nifanakalo hevitra ny Tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Elack Olivier Andriakaja sy i Tahir Akbar, manam-pahaizana manokana momba ny […]
Salon des études universitaires et des formations: anomezana torolalana momba ny lalam-piofanana
Hotanterahina ny 22 sy 23 aogositra 2024 izao ny «Salon des études universitaires et des formations», andiany faharoa. Hetsika maimaimpoana atao etsy amin’ny foiben’ny Oriental International Ankasina Ankazomanga. “Tanjona ny hahafahan’ny ankizy sy ny tanora hahay hisafidy ny lalam-piofanana tiany hatao rehefa eny amin’ny Oniversite», hoy Rakotoseheno Zina, mpikarakara, nandritra […]
INDRAY MIJERY
Ho mafy hatrany ny tsiokan’ny alizay ato anatin’ny telo andro manaraka. Tombanana hisy alondrano avy atsimo na atsimo atsinanana any amin’ny morontsiraka afovoany atsinanana sy avaratra atsinanana, ka hahery ny ranomasina eo anelanelan’ny tanjona Angotsy sy Mahanoro, hatrany amin’ ny tanjona Bobaomby. Nanomboka omaly hatramin’ny alakamisy ho avy izao ny […]
Governemanta amerikanina : hiady amin’ny fanondranana bibidia
Vonona ny hiady amin’ny fanondranana bibidia antsokosoko sy ny kolikoly ny fitondram-panjakana amerikanina. Fantatra izany nandritra ny fihaonambe nasionaly faharoa ho an’ny ady amin’ny fanondranana bibidia, natao teto Antananarivo, ny 13-14 aogositra 2024 teo. Tamin’ny alalan’ny tetikasa USAID Mizana sy Countering Corruption and Wildlife Trafficking (CCWT). “Miara-mamorona hoavy maharitra ho […]




