Fiaraha-monina

Natomboka tamin’ny fambolen-kazo: 15 taona ny fikambanan’ny mpanao gazety Toamasina

Nisokatra ny 21 avrily lasa teo, tamin’ny fambolena zanakazo, teo anoloan’ny Crjs sy CEG Ratsimilaho sy fitokanana tsangambato manamarika ny tsingerintaona faha-15 taona niorenan’ny fikamba­nan’ny mpanao gazety Toa­masina (A.J.T). Nitarika ny hetsika ny filohany, Sabotsy José, izay solontena maharitry ny gazety Taratra ao Toama­sina. Nisy ny fanentanana hi­tsirihan’ny olom-pirenena ny […]

Fanorenana efitranon-tsekoly – Paeb: nosafidiana ireo Cisco ambany ny fahavitan’ny mpianatra ny T5

Maromaro ny antony mahatonga ny ankizy any ambanivohitra tsy mahatody hatramin’ny kilasy T5 dia miala an-daharana. Voalohany ny tsy fa­hampian-tsakafo ka miantehitra amin’ny sakafo zaraina any an-dakilasy ny mpianatra isan’andro. Eo koa ny fahalaviran’ny toeram-pianarana ka voatery mandeha an-tongotra maharitra na miditra kaominina mihitsy rehefa miakatra ny ambaratonga (CEG na […]

Boriborintany V: nanampy ny mponina ny tolotra ara-pahasalamana

Maherin’ny 600 ireo olona noraisina an-tanana nandritra ny hetsika ara-pahasalamana notanterahin’ny CUA teny amin’ny fokontany Ambatomaro Antsobolo, ao anatin’ny boriborintany V, tamin’iny herinandro iny. Nidina teny an-toerana ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, nampahery ny vahoaka hazoto sy ho saropiaro amin’ny fahasalamana. Nampiavaka ny hetsika teny an-toerana ny fiarahana tamin’ireo federasionan’ny […]

CUA-MEH-Jirama: tontosa ny tetikasa « Hazavao ny elakela-trano »

Nisantarana ny tetikasa “Hazavao ny elakela-trano” eto anivon’ny kaominina Anta­nanarivo Renivohitra ny alakamisy teo, ny eny amin’ny fo­kontany Behoririka, Ambato­mi­tsangana, Ankadifotsy, ao anatin’ny boriborintany fahatelo.. Nisongadina ny fiovana satria tena namirapiratra ny tanàna nohazavain’ny jiro. Nanamarina izany ny mponina amin’ireo toerana ireo izay nankasitraka ny mpitantana ny tanàna sy ireo […]