Hisy ny hetsika fandidiana maimaimpoana ataon’ny CHU Andohatapenaka, ho fanamarihana ny faha-10 taonan’ny hopitaly, ny volana septambra ho avy izao. Hanomboka anio ny fizahana mialoha hahafahana manatanteraka izany. Iarahana amin’ireo vahiny avy any Turquie, mpitsabo, ny fandidiana ny aretin’ny sofina, ny orona, ny nify ary ny aty vava. Manomana hetsika […]
Fiaraha-monina
Fihaonambe kongresy Eokaristika nasionaly : miara-miasa ny mpikarakara sy ny fanjakana
Hotanterahina any Antsiranana, ny 20 – 25 aogositra 2024 izao, ny fihaonamben’ny kongresy Eokaristika nasionaly sy ny Afafi-Fet. Ho avy hanatrika izany ireo tanora maherin’ny 15 000, avy amin’ny diosezy 22, manerana ny Nosy. Efa milamina hatrany amin’ny 95% ny fiomanana sy fandraisana ireo mpizaika rehetra any an-toerana, amin’izao fotoana izao, […]
TETIKASA MAHARO: 49 tapitrisa dolara niasana
Nentina nanatsara ny vokatry ny fanjarian-tsakafo tany amin’ny faritra Atsimo sy Atsimo Andrefana ny tetikasa Maharo, izay tohanan’ny governemanta amerikanina. Ho fiahiana manokana ireo vondrom-piarahamonina marefo amin’ireo faritra niasana nandritra ny 5 taona ny famatsiam-bola avy amin’ny USAID Madagascar. Nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny fanjarian-tsakafo ity tetikasa ity, noho ny […]
Politeknika Vontovorona : hampiakarina ny tanjaky ny internet
Nilamina ny raharaha eny Vontovorona rehefa nihaona ny andaniny roa. Nanome toky hanao ezaka ny fanjakana amin’ny fantsarana ireo fotodrafitrasan’ny mpianatra. Efa nanomboka nahazo vatsim-pianarana ireo mpianatra. Nifanatona ny fanjakana sy ny mpianatra eny amin’ny politekika Vontovorona nandamin-draharaha ny faran’ny herinandro teo. Milamina amin’ny ampahany ny savorovoro eny amin’ity sampan’ny […]
Andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora: fotoana ampitomboana fahalalana sy traikefa
Nankalazaina omaly ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora. Notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina izany ho an’i Madagasikara. Nitarika izany ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena mpisolo toerana, Ramonjavelo Valéry. “Tanora liam-pivoarana, tanora mahay mikirakira niomerika, fanoitra amin’ ny fampandrosoana maharitra sy lovain-jafy” ny lohahevitra tamin’ity taona ity. “Sehatra […]




