Fiaraha-monina

CUA : tsy azo leferina ny fahalotoan’ny tsena

Nanao fampahatsiahivana ny kaominina Antananarivo Renivohitra mahakasika ny fahadiovan’ireo mpivarotra sy ny toerana ivarotany, araka ny voarakitra ao anatin’ny fehezam-pitsipika momba ny fikoloam-pahasalamana. Mila manaraka ireo fenitra napetraka ny mpivarotra. Voa­rara ny varotra rehetra ivelan’ ny tsena. Ireo tsena rehetra tsy maintsy anaovana fanadiovana faobe matetika, isorohana ny otrikaretina ary […]

Sekolim-panjakana : tsy ampy 2 tapitrisa ny dabilio

Nilaza ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle, fa tsy ampy 2 tapitrisa ny isan’ny dabilio ho an’ny zana-bahoaka any amin’ireo sekolim-panjakana manerana ny Nosy. Tafiditra amin’izany ny EPP sy ny CEG ary ny Lycée. Manaporofo izany ny mbola ahitana sekoly mipetraka amin’ny tany mihitsy aza any ambanivohitra. Ny ankizy […]

Distrikan’i Boriziny : tsipahin’ireo tantsaha ny fibodoan’ olon-tokana ny taniny

Tany mirefy 1 200 hektara, hiveloman’ny tantsaha an’arivony, kasain’olon-tokana ha­midy amin’ny teratany vahiny ao amin’ny fokontany An­tsambalahy, kaominina Tsara­hasina, distrikan’i Boriziny, ny 9 janoary teo. Nohajarin’ny tantsaha arivo mahery na­nomboka ny fanjanahan-tany anefa io tany io, araka ny fanazavan’izy ireo. Olon-tokana voalaza fa taranaka vazaha tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany, araka izany, no […]