Vonona ny hampandroso ny fokontanin’Ampasika ny fikambanana Toky sy Andry amin’ny Fampandrosoana an’ Ampasika (Tafa). Araka ny voalazan-dRandriamanana Armand, filohan’ny Tafa, omaly, teny an-toerana dia tsy misy ambadika politika ny adidy sy andraikitra ataon’izy ireo eny an-toerana. Tanjon’izy ireo ny hampiditra ireo kilonga an-tsekoly, hamerina ny soatoavina malagasy, hanentana ny […]
Fiaraha-monina
Fiovan’ny toetr’andro : firenena marefo voalohany indrindra eto Afrika i Madagasikara
Voalaza ho anisan’ny firenena iray eto Afrika anjakan’ny fiovan’ny toetr’andro i Madagasikara, raha ny nambaran’ny fikambanana Aika. Mijoro handray andraikitra sy hanampy ny tanora malagasy izy ireo mba hiady amin’izany olana izany. Firenena marefo voalohany indrindra eto Afrika i Madagasikara amin’ny fiovan’ny toetr’andro, raha ny nambaran’ny fikambanana Alliance Aika, omaly, […]
Jean Nirina Rafanomezantsoa : tsy voafehy ny fampiasana “facebook”
«Mila andraisana fepetra manokana ireo minia manalabaraka amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera «facebook», indrindra izao ankatoky ny fifidianana izao», hoy ny filohan’ny Hafari Malagasy, Jean Nirina Rafanomezantsoa, nandritra ny tafa nifanavaony tamin’ny mpanao gazety, afakomaly. Hanaratsiana anaran’ olona sy hilazana zavatra tsy marina anatin’io tambajotra io ka lasa raisin’ ny olona ho […]
Fahavitan’ny “Ramadan”… : niahy ireo sahirana ny fikambanana Miozolimanina Ahmadiyya
Noho ny fahavitan’ny “Ramadan”, nanampy ireo fianakaviana sahirana eto an-drenivohitra ny fikambanana Miozolimanina Ahmadiyya… Toy ny fanao isan-taona, mandritra ny volana Ramadan, mifady hanina sy mifady fisotroana ihany koa ny fikambanana Miozolimanina Ahmadiyya mba hahatanteraka ny fifalian’Andriamanitra, araka ny efa voalazan’ny Mpaminany Masina Mohammad. “Rehefa mifady hanina dia noana sy […]
Antsirabe : nodinihina ny fahasalaman’ny reny
Tanterahina ao Antsirabe, nanomboka ny alatsinainy hifarana ny sabotsy izao, ny dinika ho fanatsarana ny kalitaon’ny fitsaboana sy ny manodidina izany, eny anivon’ireo tobim- pahasalamana manerana ny Nosy. Efa nametraka ny fomba fiasa AIM na ny firaisankina ho fametrahana ny fihavaozana eo amin’ny fahasalaman’ny reny. Mifampiankina amin’ny fiantohana ara-pahasalamana manaraka […]