Fiaraha-monina

Taolagnaro: mifanohana ny tomponandaikitra

Nihaona mivantana, ny talata teo, ireo ben’ny Tanàna ao amin’ny distrikan’i Taola­gnaro sy ireo solontenam-panjakana izay notarihin’ny governoran’ny faritra Anôsy, Rako­tovelomanantsoa Voa­hary, miaraka amin’ny solombavambahoaka… Nandinihana ny fampi­harana ny didim-panjakana N°2020-833 mamaritra ny fitantanana, fampiasana ary fanaraha-maso ny famatsiam-bola natokana ho fanohanana ny sehatry ny fampandrosoana (CIAD) ampiasain’ireo solombavambahoaka eny […]

fanentanana sy ny fizarana fitaovana: nitombo ny tahan’ny fanasana tanana amin’ny EPP 30

Misoroka aretina maro ny fahazoana mampiasa rano madio miaraka amin’ny savony. Nisy ny ezaka natao amin’ny fametrahana fotodrafitrasa sy paikady hanamorana ny fisitrahana rano ka nampiakatra ny tahan’ny fikirakirana azy any an-tsekoly sy eny amin’ny tobim-pahasalamana niaraka amin’ny Water Aid. Nisy fanadihadiana natao momba ny tahan’ny fa­nasana tanana amin’ny rano […]

« Projet TQS» Tanora malagasy telo hisitraka ny tetikasa

Tontosa omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny lanonana tsotra nanehoana ireo tanora andiany voalohany hisitraka ny tetikasa tolotrasa ho an’ny tanora mpiasa manana fahaiza-manao manokana na « Projet de recrutement de jeunes travailleurs qualifiés spécialisés » (TQS). Niatrika izany i Kaori Tanaka, solontena maharitry ny Jica eto amin­tsika sy ireo tale isan-tsokajiny […]

Fanavahana sy fakana fako: natomboka teny amin’ny fokontany Ampefiloha

Natomboka ny faran’ny he­rinandro teo ny tetikasa andrana ho fanatsarana ny fa­kana sy ny fitanterana ny fako, ao amin’ny fokontany Ampe­filoha. Tafiditra amin’ny tetikasa fanatsarana ny rafi-pitantanana ny fako eto Anta­nana­rivo (Gesda) nizany, izay fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny fanjakana japonais. Ny volana febroary 2023 no niandoha ny […]

Ambovombe Androy: vita ny foibem-paritra fandrindrana ny asa vonjimaika

Misy fiantraikany mandritra ny taona maro amin’ny mponina any Atsimo ny krizy vokatry ny haintany noho ny fiovan’ny toetr’andro. Hanakaiky vahoaka hitondra vahaolana maharitra ny fametrahana ny CRCou ao Ambovombe. Vita ny fananganana ny ivontoeram-paritra fandrindrana ny asa ho fa­maliana ny hamehana (CRCou) any Ambovombe Androy, ny herinandro lasa teo. […]