Nihaona tamin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Assoumacou Beatrice, ny alakamisy teo, ny fikambanan’ireo mpampianatra mpikaroka (ACE). Nisongadina tamin’izany ny fananganana vovonana manokana hiandraikitra ny andrimaso ho an’ny tontolon’ny siansa sy ny fampandrosoana. Tanjona ny hahafahana manara-maso ny voka-pikarohana sy ny fanehoan-kevitra ho fampandrosoana haingana an’i Madagasikara. […]
Fiaraha-monina
Fiofanan’ny mpivarotra hani-masaka: hanara-maso ny fampiharana ny kaominina Antananarivo Renivohitra
Nifarana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny fizarana ny «certificat» ho an’ireo mpivarotra hani-masaka nahavita fiofanana momba ireo paikady amin’ny fandrahoana sakafo, niarahana tamin’ny Institut National de Tourisme et d’Hôtellerie (INTH). Nisy koa fiofanana momba ny vonjy taitra sy ny fisorohana tranga firehetana, niarahana tamin’ny sampana […]
Alternatives Madagascar: hamoraina ny adisisika fiarovana ny zon’olombelona
Hamoraina ny adisisika ataon’ny fiarahamonim-pirenena eny anivon’ny fitondram-panjakana sy eny anivon’ ireo vondrom-bahoaka ary ireo manam-pahefana. Mba handraisana andraikitra amin’ ny fiarovana ny zon’olombelona, raha ny nambaran’ny Alternatives Madagascar. Nikarakara fiofanana mikasika ny “Advocacy Leadership Institute” (ALI), tetsy Antaninarenina, izy ireo. Niarahana tamin’ireo fiarahamonim-pirenena misehatra ao anatin’ny fiarovana ny zon’olombelona. […]
ONG Jhpiego: “Manan-danja ny asan’ny mpampivelona sy ny infirmier”
15 taona niasana teto Madagasikara ny Jhpiego, fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fahasalamam-bahoaka, miara-miasa amin’ny Universite Johns Hopkins, oniversite lehibe maneran-tany. Mifototra hatrany amin’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ny asa sahanin’izy ireo, anatin’ny firenena155 ka anisany ny eto amintsika. Mitondra paikady vaovao hisorohana ny fahafatesan’ny reny sy ny fianakaviana ny […]
Fahasalamam-bahoaka : distrika sivy hahazo “scanner”
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny ala-robia lasa teo, ny fanamboarana ny tetibola anatin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Hisy ampahany halefa amin’ny fampitaovana ireo «scanners» sivy homena an’i Maroantsetra, Mandritsara, Fenoarivo Atsinanana, Morondava, Taolagnaro, Nosy-Be, Manakara, Sambava ary Ambatondrazaka. Hisy koa ampaham-bola hatokana amin’ny fanamboarana sy fiarovana ireo toerana hametrahana “scanners” any Fenoarivo […]