Natao ny alarobia teo ny sonia fifanarahana amin’ny maha mpirahavavy ny kaominina Andoharanofotsy tarihin’ny ben’ny Tanàna Rakotoarimanana Henintsoa, sy ny kaominina Linden any Nex Jersey, tarihin’ny ben’ny Tanàna Derek Armstead. Tamin’ny 16 marsa lasa teo no nankatoavin’ny ben’ ny Tanàna roa tonta io fiaraha-miasa iraisam-pirenena io. Hanomboka tsy ho ela […]
Fiaraha-monina
Nanamafy fahaiza-manao ny mpikaroka : nifampizarana ny lalàna hiarovana ny voka-pikarohana
Nanamafy fahaiza-manao ireo mpikaroka ao amin’ny Insitut malagasy des vaccins vétérinaires (IMVaVet) sy ny Centre national de recherche pharmaceutique (Cnarp) tamin’ity herinandro ity tao amin’ny efitranon’ny IMVaVet. Tanjona ny hanentana sy hanamafy fahalalana ho an’ ireo mpikaroka vao noraisina sy tranainy, momba ny fananana indostrialy, amin’ny lafiny haivao teknolojika sy […]
Kaominina Ivato: miandrandra fotodrafitrasa ny mponina
Nitondra teny fampirisihana ny fitondram-panjakana, omaly, ny ben’ny Tanànan’Ivato, Randrianarisoa Penjy, ny hanatanterahana ireo asa efa nampanantenaina ary andrasan’ny vahoaka fatratra dia ny famitana ny tranon’ny kaominina izay efa tranainy. Eo koa ny CEG izay efa nanaovan’ny filoham-pirenena fanamby. Tsy tokony hoketrahina ny fitondram-panjakana amin’ny ezaka fampandrosoana ataony fa mila […]
Olam-piainana, rarintsaina… : 15 ireo tanora namono tena tao anatin’ny iray volana
Manodidina ny 15 ireo tanora namono tena tao anatin’ny iray volana, araka ny tatitra navoakan’ny Observatoire de la jeunesse. Antony, ny tsy fahazakana olana, rarintsaina diso tafahoatra, tsy fahitana asa…. «Efa manambana ny tanora ankehitriny ny fahaketrahana ara-tsaina ka mahatonga ny famonoan-tena”, io ny nambaran’ny Observatoire de la jeunesse, omaly, […]
Betongolo : maharitra iray volana ny fitsarana miaramila
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, teny amin’ny Kianja Betongolo, ny fotoam-pitsarana miaramila ho an’ny taona 2023, tanterahin’ny Fitaleavan’ny fanompoam-pirenena sy ny fiandry eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Nanokatra izany ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Ramasy Razafindratovo Heritiana niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy. Nankasitraka ny fahatongavan’ireo tanora maro teny an-toerana izy, izay […]