Fiaraha-monina

Tazomoka : distrika 5 hamendrahana odimoka

«Fotoana izao hanafoanana ny tazomoka : milofosa, mitadiava paikady vaovao, miasà». Lohahevitra voizina mandritra ny fanamarihana ny Andro maneran-tany iadiana amin’ny aretina tazomoka, ny 25 avrily ho avy izao. Nanazava ny teknisianina avy ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Ramandimbiarijaona Herizo, fa hiompana amin’ny famendrahana odimoka amin’ireo distrika 5 mbola ahitana ny […]

Cua – Fanatsarana ny tsena: halamina ny toby fiantsonana Imerin­tsia­tosika sy ny tsenan’ny tantsaha

Nidina ifotony nijery ny zava-misy teny anivon’ny tsenan’i Soamanatombo sy Voninkazo Anosy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, omaly. Nolazainy tamin’izany fa hasiana lamina manokana ny toby fiantsonana Imerintsiatosika sy ny tsenan’ny tantsaha eny an-toerana. Nijery ny zava-nisy teny amin’ny tsenan’ny Vo­ninkazo Anosy sy ny tsenan’i Soamanatombo ny ben’ny Tanànan’Antananari­vo Renivohitra, Andriantsi­tohaina Naina, […]

Andron’ny fahasalamana : nodidina maimaimpoana ny “hernie” sy ny vaky lanilany

400 000 eo ho eo ireo olona efa nisitraka mivantana ny hetsika « fitsaboana manakaiky vahoaka », nialoha ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana, tany amin’ny distrikan’i Miarinarivo, ny herinandro lasa teo. Nisy varavarana misokatra sy tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana nandritra ny telo andro, teo anivon’ny CHRR Itasy, Miarinarivo […]

CEe : Malagasy 4 mirahavavy hanaraka fiofanana

Voafidy hanaraka ny fiofanana Community Engage­ment Exchange (CEE) i Jo­han­na Ravomanana, Ny Andraina Andriamanantena ary Sedra Rakotovao. Voafidy ho mpanoro lalana CEE Spe­cialist Mentor kosa Rafi­toson Ketakandriana. Taorian’ny fiofanana am­pitain-davitra naharitra telo volana, hihazo an’i Etazonia ireto Malagasy mpitarika ireto. Handray anjara amina hetsika sy tetikasa momba ny fiarahamonim-pirenena eny […]

Herisetra ara-nofo : 19% amin’ireo niharan’ny fanolanana no sahy mitaraina

Mihamahazo vahana ny fanolanana eto Madagasikara satria 80% ny tranga momba izany. Vitsy amin’izy ireo no sahy mitoroka noho ireo vesatry ny kolontsaina sy ny fitotongan’ny toe-draharaha misy eto amin’ny Nosy. Firaisana tsikombakomba avokoa ny 80% amin’ny trangana fanolanana eto Madagasikara, raha ny antontanisa navoakan’ny Unicef. 19% amin’ireo niharan’ny fanolanana […]