Ankoatra ny lasy jobily tanterahina eny Fihaonana, fotoana maro hamaritra ny hoavin’ny skotisma sy ny firenena ho an’ny 100 taona manaraka ity volana ity. Rasoamahenina Sanda, Malagasy kandidà ho amin’ny komity mpitantana ny skotisma maneran-tany hofidina mandritra ny fivoariam-ben’ny skoto maneran-tany ny 17 hatramin’ny 23 aogositra ho avy izao, any […]
Fiaraha-monina
Homamiadana : tsy mazoto manao fitiliana ny vehivavy
Nofaranana, afakomaly, tetsy Ankatso, ny fanaovana fitiliana maimaimpoana nokarakarain’ny Douleur sans frontières. Hetsika niarahan’izy ireo niasa tamin’ny Fianakaviana sambatra (Fisa). Nisy ny valandresaka natao teny an-toerana nandinihina lohahevitra maro, toy ny fahasalamana ara-pananahana, ny fahasalaman’ny vehivavy. Tanjona ny hanentana ny vehivavy hanao fitiliana hahafahana mamantatra raha misy homamiadana izy na […]
Famarinana olona : hentitra ny sazy ho an’ny mahavanon-doza
Nihaona tamin’ny tomponandraikitra tao Nosy Be ny mpisolo toerana ny mpanolotsaina voalohany ao amin’ny masoivoho amerikanina, Julianna Kim, omaly. Nandray anjara tamin’ ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny famarinana olona, tany an-toerana, ny tenany. Nilaza izy fa manantena ny hivadihan’ireo tolo-kevitra ho lalàna izay mitaky sazy hentitra ho an’ireo […]
Hatao any Mahajanga ny andro faha-22 : hozaraina ny boky fitsaboana ny homamiadan’ny prostate
Hotanterahina any Mahajanga ny andro faha-22 natokana ho an’ny homamiadana. Ny Association d’appui à la radiothérapie et l’oncologie de Madagascar (Arom) no mikarakara izany. Mandritra ny roa andro, ny 7 sy ny 8 aogositra, ny hetsika any an-toerana, ka hahazo vahana ny famelabelaran-kevitra siantifika miisa 50 eo ho eo, araka […]
INDRAY MIJERY
Ho fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora, manomana fiofanana momba ny «fampiasana ny teknolojia niomerika» ho an’ny tanora (18 ka hatramin’ny 30 taona) ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena sy ny UNFPA ary ny Orange Solidarité Madagascar. Tanterahina ny 5 ka hatramin’ny 9 aogositra ho avy izao, ho an’ […]




