Mankalaza ny faha-20 taonany ny Centre Sembana Mijoro eto Antananarivo. « Tsara ny vokatra nandritra izay fotoana izay satria 200 mahery ireo tanora sembana ara-batana sy ara-tsaina efa mahaleo tena ankehitriny », hoy Razafinjato Fela, filoha mpanorina ny fikambanana. Nahazo tohana avy amin’ny fikambanana amin’ny alalan’ny vatsim-pianarana izy ireo. “Mbola nampiana tamin’ny […]
Fiaraha-monina
Oniversiten’Antananarivo : vita ny fampitahana ny lisitry ny mpianatra
Namoaka fanambarana, omaly, ny oniversiten’Antananarivo fa efa vita tanteraka ny sahanasa momba ny fampitahana ny lisitr’ireo mpianatra izay misitraka ny vatsim-pianarana taona 2022-2023. Natao nandritra ny 3 andro (13-15 marsa) ny fampitahana, nifarimbonan’ny oniversiten’ Antananarivo sy ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika (Mesupres) ary ny minisiteran’ny Fiovana sy […]
Fiarovana ny tontolo iainana : namboly hazo ny maintimolalin’ny CUA sy ny Béton armé
Nanatanteraka ny anjara fanamaitsoana ny tanàna ny fikambanan’ny maintimolaly eo amin’ny CUA sy ny fikambanana Béton armé, omaly, teny amin’ny Rocade Nanisana. Nitarika azy ireo nanatanteraka izany ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina. Nentina nanaporofoana fa saropiaro amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny fikambanana ary mandray anjara feno amin’ny fikoloana izany. […]
METFP : hamboarina ny Lycée Mananjary
Nanatanteraka fifanaraham-piaraha-miasa ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny orinasa Cementis, omaly, tetsy Tsaralalàna. Hiantoka ny simenitra lany rehetra amin’ny hanamboarana ny Lycée any Manjary izay ravan’ny rivodoza Freddy farany teo ny orinasa. Tanjona ny hiverenan’ny mpianatra mianatra amin’ny sekoly tsara ara-dalàna hahafahan’izy ireo manovo fahalalana toy […]
Kaominina Antananarivo Renivohitra : mbola malalaka ny tsena Petite Vitesse, hisy ny fanatsarana
Hanampy ny mpivarotra ao amin’ny Petite Vitesse hanatsara ny tsenany ny CUA. Mbola malalaka ny toerana ka tokony hiditra anaty tsena ara-dalàna ireo mpivarotra amoron-dalana. Mitohy ny fidinana eny ifotony ataon’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina. Nitsidika ny mpivarotra teny amin’ ny tsena Petite Vitesse indray ny tenany niaraka tamin’ny […]