Fiaraha-monina

Fahasalamana: 24 000 ireo zaza noforaina

Mitotaly 24 000 ireo zazalahy voafora tao anatin’ny hetsika didim-poitra faobe nataon’ny fanjakana, manerana ny Nosy. Misokatra maimaimpoana amin’izany ireo tobim-pahasalamana rehetra, araka ny toromarika nomen’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Mbola mitohy ny hetsika ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny amin’ireo kojakoja sy ny saran’ny famorana izay miakatra isan-taona. Tena lafo ny […]

Hatramin’ny taona 1970: nihena 78% ny tahan’ny fahalotoan’ ny rivotra

Miantoka ny fahatomombanan’ny fiainan’ny zava-mananaina ny fahadiovan’ny rivotra. Mikendry hatrany ny fahatsaran’ny tontolo iainana, hisian’ny rivotra madio, ireo manam-pahaizana. Nampivondrona manam-pahaizana sy vondrom-piarahamonina mba hiady amin’ny fahalotoan’ny rivotra aty Afrika ny Clean Air Forum Lagos. Tafiditra ao anatin’izany i Madagasikara. Tsy voafetran’ny sisin-tany rahateo ny fandotoana rivotra. Nisy ny fanohanana […]

Fitaterana : miara-mientana ireo hery velona rehetra

Nifanatona ireo mpitatitra amin’ny zotra an-dRenivohitra sy ny manodidina, ireo zotra nasionaly sy rezionaly ary ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro. Fihaonana nahafahana nifampizara ireo vaovao mahakasika ny ezaka fanamafisana ny aro lozan’ny fifamoivoizana samihafa. Nisongadina, tamin’izany, ny fametrahana ny komitim-pirenena misahana ny aro loza amin’ny fifamoivoizana izay […]

Andramasina : miray hina manamboatra tetezana ireo mpitatitra

Fanoitry ny fampandrosoana ny tanàna iray ny fahavitan’ny lalana mivezivezy ao aminy. Izany indrindra no ivondronan’ny mpitatitra ao Andramasina manamboatra ny lalana. Maneho firaisankina manambatra hery amin’ny fanamboaran-dalana ireo mpitatitra any Andramasina. Hifantohan’ izy ireo ankehitriny ny fanamboarana ny tetezana ao amin’ny kaominina Ambatofahavalo, fokontany Faravohitra. Sady manampy betsaka amin’ny […]

INDRAY MIJERY

Hiakatra hatrany ny maripana saika manerana ny Nosy, ankoatra ny maripana ambany indrindra izay tombanana hilatsaka noho ny fisian’ny zavon-tany amin’ny afovoantany sy ny ilany atsinanan’i Madagasikara, ny maraina. Notanterahina tao amin’ny renivohitry ny faritra Atsimo Atsinanana ny fanombohana ny tetikasa “Drône” ho an’ny faritra telo : Atsimo Atsinanana, Iho­rombe […]