Ho tsara karakara ireo biby ompiana ao amin’ny valan-javaboahary Tsimbazaza manomboka izao. Efa azo ampiasaina ny vola ho amin’izany. Tsy niandry ela fa avy hatrany! Natao izay nivoahan’ny vola ho fikarakarana haingana ny valan-javaboahary Tsimbazaza. Tanjona ny famonjena ny ain’ ireo karazam-biby izay efa nijaly fatratra. Efa azo ampiasaina, araka […]
Fiaraha-monina
CEE 2024 : voafantina ireo tanora hanaraka fiofanana
Nampahafantarin’ny masoivoho amerikanina, omaly, ireo tanora 4 mirahavavy voafantina hisitraka ny “Community Engagement Exchange Program, (CEE)”, taona 2024. Anisan’ izany i Jannie Betrasimplice, Razafiarivony Raissa, Randriarimanana lalaina ary Randriamampianina Mialy. Voafidy hanaraka ny fiofanana CEE izy mirahavavy voalohany, raha ho mpitari-dalana na CEE Specialists kosa i Lalaina sy i Mialy. […]
Angovo azo havaozina : hampianarina amin’ ny sekoly teknika
Anisan’ny laharam-pahamehan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny sehatry ny taotrano sy ny asa vaventy ary ny loharano stratejika. Nisy ny fanadihadiana natao momba ny angovo azo havaozina. Niarahana tamin’ny GIZ sy ny Insitut européen de coopération et de développement (IECD) ny nanatanterahina izany. Hametraka rafitra fanofanana mifanaraka […]
Fako eny Anosipatrana: mamely ny aretin’ny taovam-pisefoana sy fivalanana
Manao antso amin’ny tomponandraikitra ny mponina sy ny mpitsabo eny amin’ny fokontany Ilanivato. Miteraka tsy fahasalamana, indrindra ho an’ny ankizy ny fivangongoan’ny fako eny Anosipatrana. Miakatra be ny isan’ny olona marary, ahitana ankizy sy olon-dehibe, manatona tobim-pahasalamana, ao anatin’ny fokontany Ilanivato. Nanomboka ny volana desambra lasa teo izany. Matetika mahazo […]
Tetikasa “JMCT” : paikadin’ny sekoly teknika sy ny tsy miankina
Ao anatin’ny tetikasa “Jeunesse malagasy compétente au travail, JMCT” iarahan’ny AUF sy ny Université Trois rivières ary ny kanadianina, ny fampiakarana ny tahan’ny mpianatra mivoaka amin’ny sekoly teknika sy fanofanana arakasa hahita asa sy hahafehy avy hatrany ny fiofanana norantoviny. Misy sehatra telo ao anatin’izany ka iray amin’ireo ny fampiofanana […]




