Hotanterahina eny amin’ ny boriborintany voalohany manomboka anio ary haharitra efatr’andro ny fahasalamana manakaiky vahoaka. Ho tonga ao amin’ny Centre NRJ ny dokotera sy ireo mpiasan’ny fahasalamana hanatanteraka izany, handray ireo olona manao fizaham-pahasalamana. Tolotra ara-pahasalamana maro no ho hita mandritra io efatr’andro io. Anisan’ izany ny fizahana maso maimaimpoana […]
Fiaraha-monina
Feno 45 taona ny CEG Ivato : manantena ny fotodrafitrasa vaovao nampanantenain’ny mpitondra
Nanokatra ny fanamarihana ny faha-45 taona niorenany ny CEG Ivato, ny faran’ ny herinandro teo. Tamin’ izany no nanaovan’izy ireo antso avo amin’ny filoham-pirenena ny hamitana ny fotodrafitrasa vaovao sy ny fanavaozana izay nampanantenainy tamin’ny taon-dasa. Efa tena tranainy ny fotodrafitrasa amin’izao fotoana. Nilaza ny talen-tsekoly fa efa tandindonin-doza ireo […]
Teknika famonoana afo : mpivarotra hani-masaka 82 nahavita fiofanana
Niofana mikasika ny teknika famonoana afo sy ny vonjy taitra mila hatao rehefa sendra loza ireo mpivarotra sakafo masaka eto Antananarivo Renivohitra. Nanofana azy ireo ny ekipa avy ao amin’ny sampana mpamonjy voina Tsaralalana, nampahafantatra ny tokony hatao mandritra ny loza. Nandritra ny 4 andro ny fiofanana mba hanomanana tsara […]
SENVH : ho vita ao anatin’ny telo volana ny tetikasa Teleferika
Efa am-perinasa ny Teleferika amin’ny lalaon’ny Nosy hotanterahina eto amintsika. Efa tomombana ny lafiny teknika rehetra ary mizotra amin’ny tokony ho izy ny asa. Nidina tetsy Anosy nijery ny fizotran’ny asa fametrahana ny teleferika ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana (SENVH), Andriamanohisoa Gérard, omaly. Eo no hipetraka […]
Tao anatin’ny herinandro: olona iray matin’ny covid-19
Nahafaty olona iray indray ny valanaretina covid-19 tao anatin’ny herinandro (11-17 marsa). Mahatratra 30 kosa ireo trangan’aretina vaovao hita tamin’ireo olona 260 nanaovana fitiliana. Eto Analamanga avokoa ny 23 amin’ireo olona nahitana ny tsimokaretina. Olona 6 kosa no fantatra fa misy tsimokaretina any Vakinankaratra ary 1 any Atsinanana. Midika izany […]