Natolotra, omaly, teny Anosy, ny politikam-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (PNN) nohavaozina hatramin’ny taona 2030 sy ny paikady hanatanterahana ny asa ao anatin’ny dimy taona ho avy. Nohamafisina ao anatin’ny politika ny fiaraha-miasa marolafy ahitana ny fahasalamana, fanabeazana, rano fanadiovana sy fidiovana, rafitra ara-tsakafo… Hisy rohy hampifandray ireo miaraka amin’ny mpiray […]
Fiaraha-monina
Filohan’ny ACE, Rondro Baohanta : “Hapetraka ny vovonana ho an’ny siansa sy ny fampandrosoana”
Manontany tena ny mpikaroka raha misy lanjany ho an’ny mpitondra ny fikarohana sy ny voka-pikarohana satria tsy ampy ny sora-bola natokana ho an’io sehatra io hatramin’izay. Hanome lanja ny fikarohana sy ny voka-pikarohana no tanjon’ny vovonana hajoro. Hametraka rafitra iray « observatoire pour la science et pour le développement de Madagascar […]
Oniversiten’Antananarivo : manomboka ny 3 avrily ny fialan-tsasatra
Nivory ny filankevitra siantifika eny anivon’ny oniversiten’Antananarivo, omaly. Voalazan’ny tatitry ny fivoriana fa efa voafaritra mialoha ny antony tokony hampiakarana filankevi-pifehezana ny olona iray ao anatin’ny oniversiten’Antananarivo. Fisandohana olona, fanaovana hosoka, diplaoma hosoka… no antony mitarika amin’izany, araka ny fepetra napetraka nanomboka ny taona 2020. Miangavy ny tomponandraikitra ireo mpikambana […]
Tetikasa Haratonaina : manovo fahalalana ao Rwanda ireo talem-paritra sy ny Fid
Herinandro ny faharetan’ ny fifanakalozan-kevitra ataon’ireo talem-paritry ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana sosialy miaraka amin’ny Fid, any Kigali Rwanda. Miompana amin’ ny sehatry ny fiahiana ara-tsosialy sy ny fampiroboroboana hisian’ny fahombiazana eny ifotony no anton’ ny fifampizarana traikefa. Efa lasa lavitra i Rwanda amin’io sehatry ny fiahiana ara-tsosialy io […]
Hopitalim-panjakana : hatsaraina ny fomba fandraisan’olona
Manaraka fiofanana hanatsarana ny fomba fiasany ireo ekipan’ny sampana vonjy aina eny amin’ny hopitalim-panjakana. Hampihatra avy hatrany ny fomba fiasa vaovao izy. Mila hita misongadina ny fiovana ka ireo manan-draharaha momba ny fitsaboana eny amin’ny hopitaly no hahatsikaritra izany voalohany. Hitohy amin’ny sampandraharaha hafa ny fiofanana hisian’ny fanatsarana hatramin’ny sehatry […]