Fiaraha-monina

Taona 2023 : 17 000 ireo mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida

Mila hamafisina amin’ny sokajin’olona rehetra mihitsy ny fanentanana hanao fitiliana ny tsimokaretina VIH/Sida manomboka izao. Misy ireo mitondra ny tsimokaretina mandehandeha eny, tsy mahafantatra ny toe-tenany akory, mamindra…. Fantatra nandritra ny atrikasa natao teny Anosia­varatra, omaly, fa miisa 17 000 ireo olona voaporofo tamin’ny alalan’ny fitiliana fa mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida […]

Afafi Fahasalamana : azo aloa amin’ny finday ny saram-piantohana

Natao sonia ny 3 jolay teo ny fifanarahana fiaraha-miasan’ny orinasa Airtel Money sy ny fikambanana Antoka ho an’ny fahasalaman’ny fianakaviana (Afafi). Azo aloa amin’ny finday, amin’ny alalan’ny Airtel Money ny fanonerana ny fiantohana ara-pahasalamana ho an’ny mpikambana Afafi. Mitovy ny fijerin’ny roa tonta, satria «tanjona ny hanamorana ny fahazoan’ny tsirairay […]

Taona 2023 : 99,8% ny tahan’ny fanaovam-baksiny polio

Ny taona 2023, nisy andiany efatra ny fanaovam-baksiny hiarovana amin’ny aretina poliomelita. 5 tapitrisa mahery ny ankizy vao teraka hatramin’ny 59 volana nahazo ny fatra ta­min’izany, ka nahatratra 99,8% ny tahan’ny fahavitam-baksiny. “Ho an’ny andiany voalohany, tamin’ity taona ity, ny 14-17 mey lasa teo, 13 268 649 ireo ankizy latsaky ny 15 […]

Antananarivo sy ny manodidina ; Ezahina havoaka amin’ity herinandro ity ny valin’ny BEPC

Efa saika namoaka ny valim-panadinana BEPC avokoa ny fari-piadidiam-pampianarana rehetra eto amin’ny Nosy. Andrasana hivoaka amin’ity herinandro ity kosa ny an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina. Efa namoaka ny valim-panadinana BEPC ny fari-piadidiam-pampianarana 43 manerana ny Nosy. Anisan’izany, Ambanja, Am­ba­tolampy, Anjozorobe, Am­ba­tomainty, Ambohidratrimo, Andramasina, Ankazobe, Man­jakandriana, Antanifotsy, Betafo, Faratsiho, Antsalova. […]

INDRAY MIJERY

Vita ny atrikasa narahina fiofanana momba ny fahitan’ireo olona manana fahasembanana sy ny fiarahamonina ao amin’ny faritra Menabe ny zava-misy mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana. Niara­hana tamin’ny fikambanana Autisme Mada­gasikara izany. Naharitra roa andro ny atrikasa nampitana tamin’ireo olona manana fahasembanana ny zony. Voa­resaka avokoa ny lafiny sosialy, kolontsaina sy ny […]