Fiaraha-monina

100 andro ho an’ny ankizivavy sy ny vehivavy : 18 ireo orinasa, fikambanana nandray andraikitra amin’ny sehatrasa telo

Rehefa tsy mianatra ny ankizivavy, 15 ka hatramin’ny 30 miliara dolara ny tetibidin’ny fahavoazana maneran-tany satria tsy afa-namokatra nampandroso ny toekaren’ny fire­nena izy ireo. Nifarana omaly ny 100 andro hanaovana asa ho an’ny tovovavy sy ny vehivavy malagasy, na­tomboka ny 25 novambra teny Ankorondrano. Seha­trasa telo no hisafidianan’ny fikambanana na […]

Foibe FJKM: iraisan’ny kristianina ny hazakazaka masina

Hanatanteraka ny hetsika “Hazakazaka masina rodobe” ny foibe FJKM, ny 15 avrily izao. Ny kristianina rehetra amin’ireo fitandremana ma­nerana ny Nosy no handray anjara amin’izany. Efa misokatra ao amin’ny fobe FJKM Analakely ny fisoratana anarana ho an’ireo maniry ny hanatanteraka ity hetsika ity. Hiainga eo amin’ny FJKM Antanetibe Fitiavana ny […]

Hanampy ny ambaindain’ny fampianarana : handray mpiasa 400 ny minisiteran’ ny Fampianarana teknika

Handray olona hiasa miisa 400 ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Fantatra izany, araka ny naoty laharana 410- 2022/ METFP/SG, ny 14 oktobra 2022, ary nohamafisina tamin’ny alalan’ny tolotra ho an’ireo rehetra liana AMI, laharana 060- 2023/ METFP/ SG navoakan’ny ministera. Mpiasa vaovao 400 isa no horaisin’ny minisiteran’ny […]

Tolom-panafahana 1947: hiavaka ny hetsi-pahatsiarovana amin’ity taona ity

Maro ny hetsi-pahatsiarovana ny tolom-panafahana amin’ity taona ity. Mba hameloma-maso ny tantara sy hampitana ny fitiavan-tanindrazana amin’ny taranaka rehetra. Fahatsiarovana ny faha-76 taonan’ny tolom-panafahana. Hiavaka ny hetsi-pahatsiarovana ataon’ny Fitaleavan’ny mpiady tia Ta­nindrazana (DCN) eto amin’ny Nosy amin’ity taona ity. Hankalazaina manerana ny faritra telo eto amin’ny Nosy ny ivon’ny fankalazana. […]

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo : fianakaviana 826 ao Tovona, Farafangana notohanana

Distrika anisan’ny ahitana zaza tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika i Farafangana, araka ny fanadihadiana SMART taona 2022, natao teny ifotony. 8,6% ny tahan’izany eo amin’ny ankizy enim-bolana ka hatramin’ny 59 volana. Mitohy ny hetsika sosialy ataon’ny so­lombavambahoaka voafidy ao amin’ny distrikan’i Farafangana, Raheriarijaona Regina Clarisse, miaraka amin’ny Ofisim-paritra mom­ba ny […]