Mitohy ny fanadihadiana sy ny famotorana momba ny fifandonana nitranga tao amin’ ny campus Ambondrona Mahajanga, ny 19 febroary lasa teo. Manao ny andraikiny amin’ny fanadihadiana ihany koa ny “cellule anti-corruption” (sampandraharaha fisorohana ny herisetra eny anivon’ny oniversite) eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa miady amin’ny herisetra […]
Fiaraha-monina
Fikoloana ny fahadiovana sy ny fidiovana: hentitra ny fifantenana ireo mpanara-maso
Ao anatin’ny dingana fitsarana ny fifaninanana amin’ny fandraisana ireo olona hiandraikitra ny fanaraha-maso ny fahadiovana sy ny fidiovana ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Hentitra sy mangarahara ny fifantenana. Nanazava ny talen’ny tsara tantana sy ny ady amin’ny kolikoly ao amin’ny CUA, Ramilijaona Andry fa hentitra sy mangarahara tanteraka ny fanatanterahana ny […]
Anjozorobe : nohamafisina ny tagnamaron’ny fandriam-pahalemana
Mitohy ny hetsika hametrahana ny fandriam-pahalemena ataon’ny zandarimariam-pirenena avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Imerina Centrale. Afakomaly, nanentana ireo mponina avy ao amin’ny kaominina Andranomisa, distrika Anjozorobe ny mpitandro filaminana. Voaresaka tamin’izay ny tagnamaron’ny fandriam-pahalemana. Hetsika natao hisorohana sy hanafoanana ireo trangana fakana an-keriny eny ambanivohitra. Nitarika ny dinika tamin’izany ny kapiteny […]
Tetikasa tanamasoandro : nahazo tsindry amin’ny fananan-tany ireo mponina
Nitaraina tamin’ny firaisamonina sivily Rohy teny Ambatonakanga ireo mponina voakasiky ny tetikasa trano mora eny Imerintsiatosika, omaly. Mahazo tsindry amin’ny fananan-tany efa nositrahany ireo solontenan’ny mponina. Mahatratra 980 hektara ny tany natokan’ny fanjakana anaovana ny tetikasa eny an-toerana. “340 hektara ny tanim-panjakana tafiditra amin’io fa tanin’olon-tsotra avokoa ny ambiny”, hoy […]
“Fambolen-kazo 2023”: nisafidy an’Andranovelona sy Vakinankaratra ny Star
Tontosa tamin’ny herinandro teo ny anjara fambolen-kazo nataon’ny STAR. Toa ny tamin’ny taon-dasa, nisafidy an’Andranovelona, toerana misy ozinin’ny orinasa, mamokatra ny Eau Vive izy ireo. Teo ihany koa ny faritra Vakinankaratra izay misy ozinina sy masoivoho Star. Zanakazo 20.000 isa no novolen’ny mpiasa tamin’ireo faritra roa ireo. Nahitana kininina, zakaranda, […]